ASIEF 2023 : efa mizotra tsara ny fikarakarana

Mizotra tsara, araka ny tokony ho izy, ny fanomanana ny fifaninanana nasionaly 2023, eo anivon’ny Associa­tion sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief). Vonona amin’ ny 80 isan-jato, amin’izao fotoana izao, ny fikarakarana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love), ny sabo­tsy teo, nandritra ny famaranana ny fifaninanana rezionaly Analamanga, teny amin’ny kianjan’ny toby Ratsiman­drava. Nisy ihany koa, hoy izy, ny fihaonana tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena , ny zoma lasa teo, ka hanampy ny Asief ny fitondram-panjakana, amin’ity fifaninanana hatao any Toa­ma­sina, ny 30 jolay hatramin’ny 12 aogositra,ity.

13 500 hatramin’izao ireo nisoratra anarana

Hifarana ny 25 jolay ho avy izao ny fandraisana anarana ho an’izay handray anjara amin’ity fifaninanana nasio­naly ity. Manodidina ny 13 500 hatramin’izao ny efa nahavita izany ary tanjona ny hahatongavana hatramin’ny 20 000 isa. Manentana ny fiaraha-mironan’ny mpiasam-panjakana rehetra i Jhon Love. Tsy tokony hisy ny hetsika hafa, toy ny ataon’ny “Finances” sy ny “Trésors”, izay mikarakara fifaninanana any Antsirabe.
Nambaran’ny filohany, Andrianarison Jean Aimé, fa ho sarotiny amin’ny fanenjehana ireo mpikarama an’ady, izy ireo, amin’ity. « tsy misangy izay olona na minisitera sy Andrim-panjakana nahatra­rana izahay, fa hasehonay amin’ny mpanao gazety mihi­tsy izy, ka hatao fanta-poko fanta-pirenena toy ireny mpan­galatra tratra ireny », hoy ha­trany ny nohamafisiny.
Ho hentitra amin’ny fanaovana hosoka, amin’ny alalan’ ny fampiasana ny kara-pilalaovana, ny « céllule de con­trôle et suivi » eo anivon’ny Asief.

Mi.Raz

Partager sur: