FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ireo tanora tetsy Andraharo ny mpitarika ny HVM, Rajaonarimampianina Hery, ny sabotsy teo. “Hotohizantsika ny fisandratana efa natomboka”, hoy izy. Nambarany fa mila fahendrena sy fahaizana ary fahafoizan-tena ny fitiavan-tanindrazana. Eo koa ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny demokrasia ary ny fahalalahana amin’ny lafiny rehetra.
“Didim-panjakana iny. Inona moa no hotenenina? Didim-panjakana ho an’ny rehetra iny. Aleo tazonina amin’ny maha didim-panjakana azy. Tsy manan-kambara ny Ceni”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A R, ny faran’ny herinandro teo, momba ny 200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsaha-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Voafehin’ny soatoavina amin’ny fanajana ny lalàna rahetra ny Ceni.
“Fanakanana ny kandidà hirotsaka io”, hoy ny kandidàn’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste, momba ny anto-bola firotsahan-kofidina. Fitondrana sy fanjakana’ny manam-bola izany. Ny mpandraharaha sy ny manam-bola ihany no afa-mirotsaka. Tsy mety io, nefa tsy maintsy atao ny hananana azy. Manjary tafiditra amin’ny vela-pandrika ny tena raha mihemotra.
Nandray anjara tamin’ny fanofanana ireo ho mpampiofana niaraka amin’ny delegasion’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny avy atsy Kaomoro, ny eo anivon’ny ekipan’ny Safidy. Nampahafantarina azy ireo tamin’izany ny fomba fanaraha-maso ny fifidianana sy ny andraikitr’izy ireo. Eo ny asa fohy ezaka sy ny lavitra ezaka ary ny fomba fanaovana tatitry ny fanaraha-maso.

Partager sur: