Fihetsika mahavariana, mety mampitaintaina mihitsy aza. Tao koa ny fihomehezana ! Natambatry ny ankizy sy ny tanora eo anivon’ny Graines de bitume avokoa ireo fihetseham-po ireo, nandritra ny fampisehoana «cirque» notontosainy tetsy amin’ny Alliance Française Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo.
Na milingilingy aza, kinga. Na mifampiankina aza, matanjaka. Na mifanipy sy mifanao tanisa «kilalao» aza, tsy misy mianjera… Hany ka tafavoakan’izy ireo ny fihetsika anisan’ny sarotra. Nisy tamin’ ireo fihetsika ireo narahina hatsikana sy fitafiana mifandraika amin’izany. Tsikaritra fa nofehezin’ny Graines de bitume ny seho rehetra tafiditra sy fanao ao anati’ny «cirque».
Raha tsiahivina, anisan’ ireo fikambanana manome lanja ny kolontsaina ny Graines de bitume. Tafiditra ao anatin’izany ny «arts plastiques», teatra, slam, «cirque», ny dihy. Amin’ny alalan’ny atrikasa sy fifaneraserana, fanatanjahantena, ary fanehoana ny zava-bita eny an-tsehatra no hanatanterahina izany.
Manatanteraka laminasa mazava momba ny tontolon’ ny fanabeazana sy fampianarana ho an’ny ankizy ihany koa ity fikambanana ity. Vokatry ny fahitana ireo ankizy mirenireny eny an-dalambe teto Antananarivo no niorenan’ny Graines de bitune, ny taona 2000.
HaRy Razafindrakoto