Tontosa ny sabotsy 15 jolay 2023, teny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny famaranana ny «Kpop World Festival” teto Madagasikara. Fifaninanana mandihy, maneho ny kolontsaina koreanina no natao tamin’izany, izay nokarakarain’ny masoivohon’i Korea Atsimo eto Madagasikara. Maro ny vondrona malagasy mpandihy, nandray anjara tamin’ izany. Nahazo ny laharana voalohany ny Onyx sy ny The Boss. Kolontsaina vahiny anisan’ny efa mahazo vahana eto Madagasikara ny an-dry zareo koreanina ary efa maro ny Malagasy, indrindra ny tanora, no manaraka izany.
Nifanome fotoana teny amin’ny IFM Analakely ny mpankafy kolontsaina Koreanina eto Madagasikara. Samy naneho ny fahaizany, maneho ny kolontsaina, indrindra ny dihy koreanina, ireo tanora malagasy nifaninana tamin’izany. Taratra ny efa fahafehezan’izy ireo ity fandihy koreanina ity. Raha ny voka-dalao, ny Onyx no nandrombaka ny laharana voalohany. Ny Wings sy ny Elite kosa no teo amin’ny laharana faharoa.
Lin M.