Tratra, ny sabotsy teo ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy tamin’ny pylone faha-82 mitondra ny herinaratra mahery vaika avy ao Mandraka mihazo ny foibem-pihaonan’ny tambajotram-pifandraisana ao Ambohimanambola. Tazonina anaovana famotorana ao amin’ ny borigadin’ny zandary ao Ambohimanambola ireto jiolahy ireto. Hatolotra ny fampanoavana kosa izy ireo aorian’ny fanadihadiana. Araka ny hita teny an-toerana, tapitra lasan’ ireo mpangalatra avokoa ny vy rehetra amin’ny pylone. Navelany teo amin’ny tany avokoa ireo bilao mampitambatra ireo vy rehetra. Mampitandrina ireo manana fikasan-dratsy hanohy ny famotehana ireny fitaovana fitsinjarana herinaratra ireny ny Jirama fa tsy handefitra amin’izay tratra. Mahatonga fahatapahan-jiro izany sady miteraka fatiantoka goavana ho an’ny orinasa ihany koa ny saran’ny fanarenana azy ireny. Voalazan’ireo mponina tao an-toerana, fa matetika no misy halatra vy sy taribin-jiro ao Ambohimalaza. Ankoatra ireo efa tratra, misy kosa ireo mbola hifampitadiavana amin’izao fotoana izao. Tambajotra goavana mihitsy ireto mpangalatra taribin-jiro sy vy amin’ny pylone-n’ny Jirama ireto. Efa maro koa ireo jiolahy no may tamin’ny fangalarana ireny taribin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika an’ny Jirama ireny, saingy tsy mety fay mihitsy.
Jean Claude