“Nampoina: ny riaka no valampariako”; Mendrika sy ho an’ny rehetra ny horonantsary

Haikanto manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy fitaizana ny horonantsary. Mahavita izany tokoa ity horonantsarin’ny fikambanana Valamparihy ity, maneho sy mampahafantatra ny tantaran’Andrianampoinimerina.

Notontosaina teny amin’ ny Canal Olympia An­dohatapenaka, ny 15 jolay 2023, ny lanonana fampahafantarana voalohany ny horonantsary «Nampoina: ny riaka no valampariako». Olo-manan-kaja maro samihafa no tonga niatrika izany lanonana izany. Nisy seho ara-javakanto nandravahana ny fampahafantarana voalohany ny “Nampiona: ny riaka no valampariako”. Haikanto mendrika sy natao ho an’ny rehetra ity horonantsary ity, noho ny fisian’ny fampahalalana sy fanabeazana mandrafitra azy, hoy ny mpanatrika.

Tsirin-kevitra ny handrakitra tantaran’olomanga iray, ho horonantsary no niavian’ny nanatontosana ny “Nampoina: ny riaka no valampariako”. Tanjona amin’izany ny hampahafantatra olomanga iray teto Madagasikara ho ohatra halaina tahaka ho an’ny taranaka. Natolotry ny Pr Ranjeva Raymond ny fikambanana Valamparihy tomponandraikitry ny horonantsary, ny tanta­ran’Andrianampoinimerina. “Mendrika ny hahalala ny tantara sy ny paikadim-pitondran’ Andrianampoinimerina ny taranaka”, hoy Pr Ranjeva Raymond, nanoratra ny jery ankapoben’ny horonantsary. Naseho tao anatin’ny horonantsary ny fahendrena sy ny fomba nentin’Andrianampoini­merina nampikambana ny fanjakana rehetra teto Mada­gasikara. Tanjon’ny fikambanana Valamparihy amin’izany ny hanamafy ny firaisam-pirenena, ary indrindra ny mba hipetrahany sy hahatonga ny fiandrianam-pirenena ho laharam-pahamehana.

Hanomboka ny 29 jolay ny fandefasana ny horonantsary ho an’ny daholobe. Hisy ny fandefasana ny horonantsary “Nampoina: ny riaka no valampariako”, eny amin’ny Anjerimanontolo, ary vina ny haneho izany amin’ny Mala­gasy rehetra sy hatrany ivelany. Ao anatin’izany no anaovan’ny tomponandraikitra tolo-tanana ho fanatanterahina izany vina izany.

Lin M.

Partager sur: