Nandriaka indray ny ra teny amin’ny RN4. Mpitondra moto roa niara-maty raha nikasa hiakatra aty an-drenivohitra. Nifandona tamina karandalana iray…
Namoy ny ainy teo no ho eo ireo roa lahy mpitondra moto tra-doza teo Manakambahiny, anatin’ ny kaominina Anosiala, PK 23 + 950, RN4, afakomaly. Nikasa hiakatra hihazo ny Renivohitra ireo mpitondra moto. Nifanena tampoka tamin’ny karandalana hanatitra olona any Mahitsy izy mirahalahy. Nandeha mafy, nifatratra tampoka tamin’io fiarabe io ireo moto roa, tamin’ny 4 ora sasany hariva. Maty tsy tra-drano ny iray. Potika tanteraka ilay moto scooter nentiny. Tavela tao ambanin’ilay fiara be ilay moto KTM. “Nentin’ireo nanatri-maso namonjy hopitaly ao Mahitsy ny iray”, hoy ny zandary nanao famotorana. Tsy tana anefa ny ain’ity farany. Vokany, olona roa no maty.
Fiara tra-doza
Ankoatr’io, fiara tsy mataho-dalana iray nentin’ny lehibena distrika iray niharan-doza tao Tsararivotra, distrikan’i Befandriana-Avaratra, afakomaly tamin’ny 5 ora folakandro. Nandeha mafy, nilatsaka tao ambadiky ny trano iray io fiara io rehefa nivoaka ny arabe. Tsy nisy ny aina nafoy. Na izany aza, naratra teo amin’ ny lohany ilay nitondra ny fiara. Efa nanaraka fitsaboana izy. Potika tanteraka ilay 4×4.
Tsiferana R.