Orinasa TsenaOW : manolotra vokatra mampihena ny fako plastika

20 tapitrisa t isaky ny minitra ny fako plastika mivarina any amin’ny ranomasina maneran-tany satria tsy mety levona fa potika fotsiny ny akora anatin’ny plastika ka lasa any amin’ny rano sy ny tany. Avy amin’ny fako plastika ny 4% mitondra fandotoana ny tontolo iainana, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny orinasa TsenaOW (tsena zero waste), Randriamiandrisoa Joëlle, teny Ambohijatovo. Nanana fomba fiaina miaro ny tontolo iainana ny Malagasy tany aloha na tsy tsapany aza satria mitondra tavoahangy na boaty rehefa hividy zavatra any an-tsena fa tsy nampiasa harona plastika. Ny entana simba (elo…) entina hamboarina fotsiny fa tsy ariana ka soloina vaovao. Miezaka manentana ny mponina hampihena ny fako plastika ny mpitantana ny orinasa ary manamboatra vokatra azo ampiasaina ao an-tokatrano hampihena ny fako plastika miparitaka etsy sy eroa. Efatra ny vokatra vita hatramin’izao: vokatra fampiasa amin’ny fidiovana tsy misy fonony plastika satria mivaingana toy ny akora ampiasaina hiborosiana nify, savony fanasana loha… Eo koa ny vokatra ho an’ny zaza manokana : salakan-jaza azo sasana, ary ny vokatra manatsara ny fahadiovan’ny vehivavy mandritra ny fadim-bolana (salaka, kilaoty samy azo sasany sy averina ampiasaina indray). Vehivavy avokoa no ao amin’ny TsenaOW sy mampihodina azy, nanomboka ny taona 2019 niforonany. Vehivavy koa ny 99% amin’ny mpanjifa ny vokatra vitany. Nanampy azy ireo betsaka ny masoivoho frantsay tamin’ny fampiofanana indroa mianto­ana.

Vonjy A.

Partager sur: