« Tetikasa PA2R » : tantsaha 28 000 tokantrano hahazo tombontsoa

Hanatsarana ny fomba fambolena nentim-paharazana amin’ny fampitomboana ny karazana voly atao sy hampiroborobo ny teknika agroekolojika ary ny fahafaha-miatrik’ireo tantsaha ny fiovan’ny toetr’andro. Ireo ny tanjona apetraky ny tetikasa «Projet d’appui aux relèvements et de résilience des 3 régions du Sud» (PA2R). Hiasa amina faritra telo any atsimon’ny Nosy ny tetikasa dia ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana. Hi­sitraka izany ny tokantrano 28 000, tantsaha, avy amina kaomina 59, ao amin’ireo faritra ireo. Miompana amin’ny famerenana ny fahafaha-mamboly sy miompy ho an’ireo tantsaha tena marefo ny sehatrasan’ny “PA2R”. Ao ihany koa ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafon’ireo tantsaha.
Paikady
Mandritra ny telo taona hiasany, hitondra fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ny « PA2R », noho izy, manana drafitrasa enti-manatanteraka izany. Hametraka fotodrafitrasan-dra­no eny anivon’ny kaominina sy ny faritra ny tetikasa. Tafiditra amin’izany ireo lavadrano samihafa. Hizara hanam-pa­mokarana 20 000 koa ny tanjony. Ankoatr’izay ny fizarana fitaovana ho an’ny fiompiana 6 000 sy fitaovam-panjonoana 500. Laharam-pahamehan’ny « PA2R », ny hampiroborobo ny fanjarian-kanina. Hanao vaksiny ireo biby fiompy ihany koa izy hanamafisany ny fiarovana azy ireny.

Henintsoa H.

Partager sur: