Notanterahina tetsy amin’ny kianjan’ny St Michel Itaosy, ny sabotsy lasa teo, ny famaranana ny fifaninanana « Tournoi ONG 2023 », taranja baolina kitra. Nanjakan’ireo ankizy taizan’ny fikambanana SOS Village d’enfants Vontovorona ny fifaninanana. Norombahan’ izy ireo ny amboaran’ny sokajy « Cadet », « Junior » ary vehivavy.
Ho an’ny sokajy « Poussin », lasan’ny fikambanana Graines de bitume, raha toa ka nalain’ny Betania Ankasina, ny « Minim ». Araka ny nambaran-dRandrianarisoa Hery, tomponandraikitra voalohany amin’ny fifaninanana, miisa 14 ireo fikambanana mpitaiza ankizy nandray anjara, raha toa ka nahatratra 715 ny isan’ ireo ankizy nilalao tamin’izany. Anisan’ireo fikambanana nandray anjara ny Graines de bitume, Betania, Gazela Itaosy, Akany Avoko Ambohidratrimo Bevalala (AAAB), ONG Manda. Marihina fa ireo fikambanana ireo dia mpitaiza ankizy eny amin’ny lalana sy sahirana ary kamboty. Tsara ny mampahafantatra fa tafiditra ao amin’ny tetikasa « Sandratra » ny hetsika. Ity tetikasa ity izay miezaka ny miandraikitra ireo ankizy eny amin’ny lalana. Amin’ny faran’ny volana avrily 2024 no hanaovana ny andiany manaraka.
Fitia