Vita ny fanamboarana ilay fantsona simba teny Ambatoroka. Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsian-drano amin’ireo toerana voakasiky ny fahatapahana. Nohamafisina ilay fantsona mba hisorohana ny hihetsehan’izany. Tsiahivina fa tapaka nandritra ny ora maro ny rano tany amin’ireo faritra voakasiky ny fahasimbana.
Nodinihina ny fomba hampitomboana haingana sy hanatsarana ny savony vokarin’ny foibe fanofanana arak’asa (CFP) ao amin’ny faritra Bongolava. Hanamora ny vidin-tsavony ao an-toerana ny fisian’izany. Voaresaka ihany koa ny hananganana kaoperativa Maharavo Agro Inter Sectoriel (Magis).
Nivory tao Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny, ny komitim-paritry ny sira. Tamin’izany no nandinihana ny fomba hampanarahan-dalàna ny tsenan’ny sira any an-toerana. Mbola ahitana sira tsy misy ioda sy fluor, izay fenitra ilaina ara-pahasalamana, eny amin’ireo tsena ao amin’ny faritra Boeny.
Nisy ny dinika famolavolana ny drafi-panajariana ny jono “Plan d’aménagement des pêcheries, PAP”, tao Mananjary. Nojerena, nandritra izany, ireo tombana faharoa, momba ny fanadihadiana voalohany natao tamin’ny PAP tao an-toerana. Nanatrika ity dinika ity ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetikasa.