Vokatra baobab: mahasitrana aretina toy ny kohaka, rera-tsaina ary sempotra

Ahitana baobab maniry betsaka in­­drindra any amin’ny sisiny andrefan’i Mada­ga­sikara iray ma­nontolo. Ma­nom­boka amin’ny sisin’Iho­rom­be ka hatrany Mo­ron­dava izany. Tsy mbola ma­ha­f­antatra ny ma­­ha zava-dehibe sy ny soa azo avy aminy, ny ankamaroan’ny Malagasy. Ha­ren’ ny firenena sy mahasalama ny olona ny fisiany sy ny fihinanana ny vokatra.

Aman-jatony ny hazo bao­bab may vokatry ny fandoroana tanety ata­on’olombelona. Mety hanjavona ao anatin’ny folo taona ho avy ny alan’ny Baobab, any Mo­rondava, noho ny fandripahana ala mivaivay raha tsy misy ny fepetra raisina avy hatrany, raha ny tatitra navoakan’ny World wild fund for nature (wwf) tamin’ny 2018. “Harena sarobidy ho an’ny firenena sy mitondra fahasalamana ary otrikaina betsaka ho an’ny vatan’olombelona ny baobab”, hoy i Clémence, tomponandraikitry ny fanodinana baobab, raha nanontaniana tetsy Andavamamba, ny zoma teo. Anisan’ny ahitana vokatra maro samihafa avy amin’ny baobab, ny etsy An­davamamba. 20 taona ma­he­­ry izy ireo no nivarotra izany.
“Nisy ankizy nararin’ny “bronchite” tao antrano tamin’izany, nomena baobab izy io ka lasa niha matanjaka fo­a­na isaky ny avy mihinana iza­ny ary sitrana tanteraka”, hoy izy nitantara. Nahatsapa izy ireo fa anisan’ny voankazo iray ara-pahasalamana sy fa­na­do­dy mahasitrana izy io ka an­tony nanodinan’izy ireo tsikelikely ny vokatra baobab ho akora hafa azo hanina. Mpi­­an­atra madinika teo amin’ ny ma­nodidina notiliana ta­mi­­n’ izany. Mba hisorohana ny se­ry mahazo ireo ankizy ireo.
“Natanjaka sy nisava ny aretina sempotra, nahazo ahy taorian’ny fihinana izany”, hoy Randria, mpanjifa ny vokatra. “Tsapako ho nisokatra ny tany anaty tratra sy tendako tany rehefa avy nisotro ny ranom-boankazo vita avy aminy aho”, hoy kosa ny lehilahy iray. Tsara ho an’ireo manana olana amin’ny fahasemporana, aretin’ny fo, rera-tsaina, rera-batana, misy hémorroïdes, sery, kohaka, aretin-tenda… Mandaitra eo no ho eo izy indrindra ho an’ny olona rera-tsaina lava, raha ny fanazavana. “Nampangotra­hi­na ny akoran’ny baobab, nampisotroina olona iray efa lasa adala sy voan’ny (dépression)”, hoy i Clémence. “Ni­ha­tsara ny fahasalamany ary si­trana tanteraka izy io”, hoy hatrany izy. Anisan’ny olona nanjifa ny vokatra tany am-piandohana ireo sahirana ara-pivelomana, raha ny fanazavana. Niainga tamin’ny 100 sy 200 Ariary ny vidin’ny iray tamin’izany. Niroborobo sy nanomboka fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy izany taty aoriana, indrindra tamin’ ny fotoan’ny valanaretina Covid-19.

Ahitana singa sy otrikaina
Nampandalovina laboratoara ny vokatra tamin’ny 2014. Nahitana singa sy otrikaina maro isan-karazany ilain’ny vatan’olombelona iza­ny. Calcium, vitamine, magnésium, zinc,… Ahitana vitaminina C avo 6 heny noho ny voasary. Avo telo heny noho ny fromage sy ny ronono (280 mg isaky ny vovoka 100 g). Manome potasioma avo 6 heny noho ny akondro ary avo 10 heny noho ny voaroy satria ambony ny tahan’ny «antioxidant» ao aminy. Ahitana 162 kilao ny calories, 1 g ny lipida ary 42 g ny gliosida.

Mino

Ahavitana vokatra maro

Azo ahodina ho lasa menaka, ranom-boankazo, “yaourt”, “poudre”, “confiture”, lasary. Azon’ny rehetra hanina afangaro amin’ny sakafo hafa (ronono, voankazo…) sy atao fanafody ihany koa. Ho an’ny menaka manokana, azo ahodotra amin ‘ny volo, atao “bain de bouche”, ho an’ny marary nify. Ankoatra izay, azo atao dite ihany koa ny akorany. Atao “masque” amin’ny tarehy sy azo atao fanampin-tsakafo ny “poudre”.

Manahirana ny fangalana ny entana, indrindra amin’ny fotoana hiakaran’ny ranomasina. Hoentina sambo na botry izany mandra-pahatonga eo Morondava. Hoentina fiara mankaty Antananarivo avy eo. Ezaka atao ny tsy hahafoana ny vokatra eto an-toerana. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hitsinjovana ny fahasalaman’ny mpanjifa.

Misy karazany fito ny baobab eto Madagasikara (adansonia grandidieri «Baobab Brevituae», adansonia suarezensis «Baobab Brevituae », adansonia madagascariensis «Baobab Longitubae», adansonia za «Baobab Longitubae», adansonia rubrostipa «Baobab Longitubae», adansonia perrieri «Baobab Longitubae», izay tena atahorana ho lany tamingana ary adansonia digitata, Baobab tokana amin’ny karazana afrikana ). Mbola tsy azo atao ny manondrana ny vokatra baobab ho any ivelan’i Madagasikara. Antony, ny fisian’ny karazana baobab iray tsy misy afa-tsy eto amintsika sy hiarovana azy ireo tsy ho lany tamingana.

Partager sur: