Fitaovana iray maro mampiasa sy azo ahodina ho lasa vokatra hafa maro isan-karazany ny kodiara. Anisan’ny toerana ahitana ny fanodinana sy fivarotana izany ny etsy Anosibe.
Mpivarotra maro ary fianakaviana iray manontolo no mivelona amin’ny asa fanodinana ny kodiarana etsy Anosibe, raha ny fanadihadiana natao omaly. Manamboatra kapa fingotra sy famatoran’entana ambony bisikileta sy fiara izy ireo
amin’ny ankapobeny. Ankoatr’izay, ahavitana fitoeram-boninkazo amin’ny endriny maro samihafa, seza isan-karazany, “tapis” ho an’ny fiara sy ho an’ny moto… ihany koa ny kodiarana. Anisan’ny manodina ireo vokatra samihafa ireo Rakotoarison Tsiry Manantena Roberto, monina etsy Ampitatafika. Nanomboka nanao io asa io izy tamin’ny fotoana nisian’ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny Nosy. “Nikaroka ny saina satria tsy nisy zavatra azo natao isaky ny tapany hariva tamin’ireny fotoana ireny”, hoy izy. “Efa tia nanao sary fony mbola tany am-pianarana ka tsy nanano sarotra ny fanaovana izany”, hoy hatrany izy. Niainga tamin’ny fanamboarana sarim-boninkazo roa samy hafa tamin’ny alalan’ny kodiarana moto iray tao an-trano ny aingam-panahy. Naparitaka sy namidy tao amin’ny tambajotran-tserasera ireo asa tanana roa voalohany ireo. Nanjifa izany voalohany ny dokotera iray eto an-dRenivohitra, rehefa nahita ny hatsarany. Niitatra sy nivoatra tsikelikely ny asa nanomboka teo ka nahavitana vokatra maro isan-karazany. Miavaka amin’ny hatsarany sy ny hamafiny ny vokatra vita amin’ny kodiarana. Maharitra 4 na 5 taona eo vao simba izany.
Olana ny akora ampiasaina
Misedra olana izy amin’ny fahitana ireo akora ampiasaina, raha ny fanazavana. “Efa miha vitsy ny kodiarana azo alaina sy ampiasaina satria miha mitombo ny sarety mampiasa kodiarana ankehitriny”, hoy Rakotoarison Tsiry Manantena Roberto. Lafo ihany koa ny vidin’ny loko natokana hampiasana amin’ny kodiarana. Ankoatra izay, atahorana sy antony iray mamono ny tsena ny hala-tahaka ataon’ny olona sasany. Amin’ny ankapobeny, asa mahavelona tsara ny fanaovana asa tanana raha tsy foana ny akora ampiasaina. Be mpitia ary be mpanjifa ny vokatra amin’ny ankapobeny. Samy mankafy sy manjifa izany avokoa na ny vahoaka malagasy na ny vahiny, raha ny fanazavana. Anisan’ny mpanjifa izany, ny fiangonana, orinasa, toeram-pilanonana, sekoly… Manodidina ny 500 hatramin’ny 25 000 Ariary ny vidin’ny akora ampiasaina. Iray na roa andro ny faharetan’ny asa fanamboarana, arakaraka ny vokatra takin’ny mpanjifa.
Asa mila fikirizana sy famoronana
Manao ny asa rehetra vita amin’ny fingotra izy ireo. Amin’ny ankapobeny, ny mpanjifa no misafidy ny sary sy ny bika tiany havoaka. “Ho an’ny famokarana ireo haingon-trano sy tokotany, mandalo dingana maro vao tonga amin’ny tanjona iray”, hoy hatrany Rakotoarison Tsiry Manantena Roberto. Mila fikirizana sy fahaiza-mamorona ary fitiavana ny fanatanterahana ny asa.
“Mahavita kapa 10 na 12 isan-karazany, ny kodiarana iray ary mahavita 30 isa eo rehefa tena miasa ny olona iray ao anatin’ny iray andro”, hoy Rahanitriniaina Hanitra Olivia, manodina sy mivarotra kapa fingotra etsy Anosibe. Nanao ny asa tao anatin’ny 30 taona mahery izy ary manao izany koa ireo fianakaviany. «Efa niasa tamin’ny orinasa iray teto an-dRenivohitra fa nisafidy ny hanao ny asa tanana” hoy izy. Nilaza izy fa tsy nanano sarotra ny fanatanterahana ny asa satria nijery ny fomba fiasa sy fanaovan’ny ray aman-dreny teo aloha fotsiny. Tanjona ny hamelo-maso sy hanohy ny asa tanana vita malagasy ny antony nandrisika azy hanao izany. Natokana handehanana any amin’ny toerana be fotaka, rano, tsilo ary vato maranitra ny kapa, raha ny fanazavana. Manjifa ny vokatra ny avy eto Antananarivo, any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, any Bealanana, Taolagnaro… Manjifa izany ihany koa ny Vahiny. Manentana ny vahoaka malagasy izy ireo mba hanjifa sy hitia ny vokatra vita malagasy fa tsy ho variana amin’ny vokatra avy any ivelany. Mba hampiroboroboana ny fanaovana asa tanana eto an-toerana.