Anisan’ny mamorona asa sy andry iankinan’ny
fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fambolena. Hisy ny famatsiam-bola manodidina ny 20 tapitrisa Euros ho an’i Madagasikara hoentina hampiroborobo ity sehatra ity
avy amin’ny banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola (BEI). Eo koa ny tetikasa fametrahana tambajotrana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro,
amina toerana 120 isa eto amin’ny Nosy. Hamatsy vola hatramin’ny 10 tapitrisa Euros an’ity tetikasa ity hatrany ny BEI.
Mpiara-miombon’antoka
Eto Madagasikara mandritra ny roa andro, omaly sy androany, ny filoha lefitry ny (BEI), Ambroise Fayolle. Hihaona amin’ny filoham-pirenena sy ny minisitra ao amin’ny governemanta ny tenany. Hifampiresaka amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena sy ny delegasionin’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara izy. Anton-diany amin’izao ny hanamafy orina ny fiaraha-miasa ny BEI sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Eo ihany koa ny fanohanan’ity banky ity ny fampiasam-
bola ho an’ny sehatra tsy miankina miompana amin’ny fambolena, hanatrarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fametrahana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro any amin’ny tontolo ambanivohitra. Efa ho 50 taona mahery ny fiara-miasan’i Madagasikara sy BEI. Nandritra izay, nahatratra 904 tapitrisa Euros ny vola nampindraminy
antsika ho tantsoroka amin’ny fampiasam-bola lavitr’ezaka. Toy ny fananganana fotodrafitrasa sy ny fanohanana ny sehatra tsy miankina. Fanohanana anisan’ny goavana azontsika farany teo ny sehatry ny rano, ny fitaterana. Anisan’izany ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 sy faha-13.
Henintsoa H.