Eglizy katolika Ambodifotatra – Sainte Marie : hampidirina anatin’ny lisitry ny harem-bakoka maneran-tany

Voasokajy ho harembako-pirenena, araka ny didim-panjakana lah-83-170, tamin’ny mey 1983 ny Eglizy katolika voalohany ao Ambodifotatra, Sainte Marie.Tanjona manaraka ny hahalasa azy ho anaty lisitry ny harem-bakoka maneran-tany.

Izy ity no Eglizy katolika voalohany, niorina teto Ma­dagasikara, ny taona 1847. Anisan’ireo harem-bakoka ka­sain’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina hampidirina ao anatin’ny lisitry ny harem-baboka maneran-tany izy ity. Efa ao anatin’ny dingana mankany ny minisitera, araka ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny “Comité du patrimoine mondial (CPM)” eo anivon’ny Unesco, nanomboka ny volana novambra 2021 ary nitohy ny volana jona lasa teo.
Nisy ihany koa ireo ma­nampahaizana avy amin’ny “International Council of Mo­numents and Sites” (ICOMOS) nijery ifotony ka nanao ny fanadihadiana mialoha, hijerena raha manana ilay antsoina hoe “valeur universelle exceptionnelle” ny fiangonana, mba hahafahana mampiditra azy anaty lisitra. Mbola ho avy any Sainte Marie ireo manampahaizana eo anivon’ny Unesco hanohy ny dingan’ny fanadihadiana, ny faran’ny volana jolay izao.
Mba hanatrarana ny tanjona, nisy ny asa fanavaozana iray manontolo, notontosain’ny minisitera. 3 taona vao tontosa izany, ka notokanan’ny filoha Rajoelina niaraka tamin’ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Ny taona 1987 man­tsy no nisy fanavaozana farany natao tamin’ity fiangonana voasokajy ho harem-bakoka ity. Natahorana hampirodana ny fiangonana ireo fahasimbana goavana, ka nahatonga ny firosoana tamin’ny asa fanamboarana sy fikojakojana, izay misy lamina manokana amin’ny maha vakoka azy. Notazo­nina avokoa ny rafitry ny tao-trano sy ireo fitaovana nanamboarana ny pitsony ao anatiny, indrindra ny akora nanarenana ny ôtely.

Zo ny Aina

Partager sur: