FAPBM: niisa 35 000 ireo nisitraka famatsiam-bola

Mamatsy vola ireo mpitantana ny Faritra arovana (AP) miisa 125 manerana ny Nosy ny Fikambanana ho an’ny Faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Manana mpiara-miombon’antoka izy amin’izany, ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Anisan’izany ny « Conservation internationale », ny WWF, ny KFW, ny AFD, ny Banky iraisam-pirenena, sns.
Natao ny volana jona teo, tany Antsiranana, ny fivoriana isan-taona, teo amin’ny FAP­B­­M sy ny mpamatsy vola azy ho an’ity taona 2023 ity, niaraka tamin’ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) tena. Hita nandritra ny jery todika 2022 fa nanampy niarovana ny rohy voaary ny famatsiam-bola, sady nametra ny faharinganan’ny ala. Miisa 35 000 ny nisitraka ny fanampian’ny FAPBM, hampandrosoana ny Vondron’olona ifotony (VOI), ka nanatsarana ny toekarena any an-toerana.
Nampirisika ny hanokanana famatsiam-bola fanampiny ireo mpamatsy vola, hitsinjovana ny Faritra arovana. Tan­jo­na ny hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy, fa tsy hionona amin’ny fandrarana fotsiny.

Njaka A.

Partager sur: