Fialantsasatra lehibe: hisondrotra 5% ny saran-dalan’ ny taksiborosy amin’ny 22 jolay

Hitombo ny fandanian’ny mpandeha mankany amin’ny faritra, amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Hisondrotra ny saran-dalan’ny taksiborosy, manomboka amin’ny sabotsy 22 jolay izao.

Miandry ny fahavitan’ny Bakalorea ! Hitombo ny mpandeha amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao, indrindra aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana. Manararaotra izany ny ankamaroan’ny mpitatitra, ka fantatra fa hampiakatra 5% ny saran-dalana manomboka amin’ny sabotsy 22 jolay izao. Anisan’izany ny fitaterana avy eto Antananarivo mankany Toamasina, izay hisondrotra ho 35 000 Ar raha 30 000 Ar amin’izao fotoana izao. Ho 60 000 Ar kosa ny mankany Mahajanga raha 55 000 Ar, ankehitriny.
Misy kosa ireo kaoperativa tsy mbola nanapa-kevitra ny hampiakatra na tsia. Toy ny ao amin’ny Kofmad, nilaza ny tomponandraikitra fa tsy nihetsika ny 120 000 Ar ny mankany Antsiranana. Torak’izany koa ny kaoperativa Kofifi, mankany Morondava. Nilaza izy ireo, fa mbola 55 000 Ar ny mankany Morondava hatramin’ny 22 jolay aloha. Mijanona ho 75 000 Ar koa ny mampitohy an’Antananarivo sy Toliara.
Ratsy ny lalana, lafo ny kojakoja

Tamin’ny volana jolay 2022 no niakatra farany (25 hatramin’ny 40%) ny saran-dalan’ny taksiborosy, taorian’ny fisondrotry ny vidin-tsolika. Tsy mbola nihetsika ny vidin’ny ga­zoala sy ny lasantsy taorian’izany. Saingy mampitaraina ny mpitatitra hatramin’izay ny haratsian-dalana, ka mitombo ny fotoana lany eny an-dalana, sady lafo ny kojakoja fanolo amin’ny fiara.
Nahatratra 10,8% ny tahan’ny fisondrotry ny vidim-piainana ny desambra 2022, araka ny tatitry ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Niakatra ho 11,8 % izany ny janoary 2023 sy ny mey 2023, raha ny tatitry ny Banky foiben’i Mada­gasikara.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: