Nisy ny atrikasa fiofanana momba ny fanangonana, fanamarinana, fankatoavana ary famahanana ny angona momba ny rafitra fanapariaham-baovao mikasika ny famokarana (AIMS). Natao izao hanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Southern African Community Development Community (SADC). Lamina fampitam-baovao ao anatin’ny tetikasa STOSAR ny AIMS. Anisan’ny firenena mpikambana ao amin’ny SADC isika. Ao anatin’izany, manana andraikitra hameno ny vovonana apetraky ny SADC ny firenena malagasy “Zava-dehibe ny fampiofanana ireo mpiantsehatra rehetra ao anatin’ny fikirakirana ny antontanisa sy antontan-kevitra mahakasika ny famokarana eto Madagasikara”, hoy Ratenony Ravelonjatovo Donatien, mpandrindra nasionaly ny tetikasa STOSAR. Notohizany fa mbola sarotra ny fahazoana ny antontanisa eto amintsika. Napetraky ny SADC hanamorana ny fifanarahana ara-barotra amin’ireo firenena mpikambana ao aminy sy hivelarana amin’ireo firenena manerana an’izao tontolo izao, ny AIMS. Entina hanasongadinana ny habetsaka sy ny kalitaon’ny vokatra mampiavaka ny firenena izy.
Henintsoa H.