Miainga amin’ny fikarohana sy izay misy eo am-pelatanana ny famokarana ho an’ny fandraharahana. Tsy mora ny asa saingy mitaky fikirizana hatrany mba hahazoam-bokatra entina hanatsarana ny vita teo aloha.
Sehatra iray anisan’ny miteraka asa ho an’ny tanora ny tontolon’ny fandraharahana. Ankehitriny, miroborobo fatratra izany, indrindra ho an’ny fikojakojana ny volo sy ny fampiasana ny akora natoraly. “Nanomboka tamin’ny taona 2021 aho no nandraharaha. Sahirana ara-pitaovana aho noho ireo mpifaninana efa matanjaka daholo. Tsy natao ho sakana izany fa nampisy hambom-po hanatrarana ny tanjona”, hoy i Vavilingny Carmen Blanche, mpamorona ny Curly’CHIC. Tsy nanana afa-tsy ireo zavamaniry teo an-jaridainany izy ka nanao fikarohana manokana momba izany ho an’ny fikarakarana ny toe-bolon’ny tsirairay. Nampiana-tena hatrany i Carmen Blanche hatramin’izay, entina hanorenany ny fandraharahany. Taty aoriana, tafatsangana ny orinasa Curly’CHIC. Namoaka ny vokatra manokana ho an’ireo karazana toe-bolo samihafa izy fa indrindra hampianatra ny tsirairay hitia sy hikarakara ny toe-bolony. Ankehitriny, namokatra ny menaka “Soatiry Oil”, vita amin’ny akora eto an-toerana ity mpandraharaha ity. Hanehoany fa mahavita ny tanora ary tsy voatery hiankin-doha amin’olona vao afaka mamokatra.
Miroso
Nandalo sedra samihafa ny Curly’CHIC saingy tsy nataony ho sakana izany. Sedra goavana lalovan’ny mpandraharaha ny resaka famatsiam-bola. Eo koa ny fifaninana amin’ireo mpandraharaha hafa ary ireo manana traikefa. “Tsy mora ny fandraharahana indrindra ny tontolon’ny volo, lamaody izy, saingy tsy maintsy manana ny mampiavaka anao amin’ny hafa ianao”, hoy hatrany ny fanazavany.. Ankehitriny, efa manondrana ny vokatra any ivelany ny Curly’CHIC ary misokatra amina sehatra hafa ihany koa ny fandraharahana ataony.
Henintsoa Hani