Kitra – Lalaon’ny Nosy 2023 : hanao « match amical » amin’i Mayotte sy i Kenya ny Barea

Ho feno tanteraka manomboka anio, ireo mpilalaon’ny Barea, hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Hivondrona miaraka izy ireo ary hanao lalao ara-pirahalahiana maromaro.

Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy sy fiatrehana ny andro farany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023, hosedraina amin’ny ekipam-pirenena Mahorais sy Keniani­na ny Barean’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Namba­ran’ny minisitra ny Tanora sy fanatanjahantena, Resampa André Haja, omaly, fa tanjona ho an’i Madagasikara, ny fandresena amin’ny lalao hatrehina. Efa nilaza izany ihany koa ny filoham-pirenena fa hatao tsara ny fanomanana mba ha­hazoana fandresena. « Hiara­ka sy tsy hisaraka intsony ireo mpilalao manomboka izao”, hoy ny minisitra, « ka afaka 2 andro dia hihazo an’i Maha­janga ireto Barea ireto”. Hisy ny lalao ara-pirahalahiana hi­fanaovany amin’ny ekipam-pirenen’i Mayotte sy ny ekipa voafantin’i Mahajanga, mandritra izany. Amin’ny 15 aogositra kosa no hiatrika lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipam-pirenen’i Kenya ny Ba­rean’i Madagasikara, lalao heverina hatao eto an-dReni­vo­hitra.

Nampiana iray ny « expert » ny Staff teknika

Mahakasika izay hatrany, ho fanatsarana ity ekipam-pirenena malagasy ity, niantso vahiny manam-pahaizana ma­nokana, Christian Duvaux, ihany koa ny fitondram-panjakana, hanatevina ny staff teknika. Ny fanomanana ny ara-batana sy ny ara-tsakafo no tena hiandraiketany mandritra izany. Tamin’ity fotoana ity no nitondran’ny mpanazatra, fa­nazavana mahakasika ny momba an’i Fabien Boyer, izay hilalao ao amin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion, mandritra ny lalaon’ny Nosy. “Efa nifampiresaka tsara tamiko izy”, hoy i Rôrô, izay tsy sanatria hoe tsy lany tato amin’ny Barea no nandehanany tany fa antony hafa mihitsy. Hamonjy avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy izy aorian’ny lalaon’ny Nosy, ha­nomana ny fiatrehana ny fi­haonana amin’ny ekipam-pirenen’i Angola, tafiditra amin’ny andro farany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023. Ho avy tsy ho ela hiatrika ny fampivondronana amin’ny lalaon’ny Nosy ihany koa ireo Mala­gasy mpilalao any La Réunion miisa 6.

Mi.Raz

Partager sur: