Nanao tatitra ny asa vita nandritra ny 5 taona ny filoham-pirenena Rajoelina, ny alahady teo, nandritra ny fandaharana manokana nataony ho an’ny Malagasy. Raha ny tombana dia fahombiazana satria nahatratra 4 198 ny isan’ny efitranon-tsekoly natsangana nandritra ny 5 taona. 209 000 ireo zaza malagasy nahazo toerana ianarana indray. Misy fotodrafitrasan-tsekoly avokoa ny toerana rehetra manerana ny Nosy.
Nitondra fanatsarana ihany koa ny fanamboarana rakibolana. 10 080 183 ny rakibolana nozaraina teny amin’ny EPP sy CEG. Ankoatra izany ny aron’akanjo sy kapa nozaraina ary nahazo izany avokoa na ireo any ambanivohitra any aza. Ny sakafo an-tsekoly tsy adino satria matanjaka ny tetibola natokana amin’izany. 1 447 EPP no nametrahana ny tetikasa fizarana sakafo an-tsekoly ka tafakatra 728 000 ireo ankizy misitraka izany amin’izao fotoana.
Mikasika ny sehatry ny fahasalamana, nahavita hopitaly manara-penitra miisa 28 ny fanjakana tao anatin’ny 5 taona. Anisan’izany ny any Morondava, Mandritsara, Analalava, mampikony, Ankilizato, Tanambao Manampotsy, Ivohibe, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Antananarivo…
Teo indrindra koa ny famatsiana ara-pitaovana avo lenta toy ny scanner miisa 10 apetraka any Sambava, Manakara, Morondava,… Ankoatra izany ny fametrahana ny fitaovana fitiliana ny homamiadan’ny nono. Miisa 1 600 ireo mararin’ny homamiadan’ny nono amin’izao fotoana.
Tatiana A