Sarimihetsika : nalefa teto an-dRenivohitra ny “Iza”

Tontosa ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Plaza Ampefilo­ha, ny fandefasana ny sarimihetsika malagasy, mitondra ny lohateny “Iza”, fizarana voalohany. “Iza”, novokarin’ny trano mpamokatra Miguel Produc­tion, tantara nosoratan-dRa­ha­rilanto Mampyoun. Nahasa­rika mpijery maro (olon-dehibe, zaza, tanora) izy ity. Niom­pana tamin’ny tantarana mpirahalahy mpinamana teo amin’ny tanàna iray ny vontoatin’ny tantara. “Nanjakan’ ny fitiavan-tena sy te hanjaka tokana ny anankiray ka namosavy ny namany”, hoy ny tomponandraikitra voalohany, Rahari­lan­to Herizo Mampyoun.
Sarotra ny fanatontosana sarimihetsika eto Madagasi­kara amin’ny ankapobeny. «Antony, ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, ny fitaovana ary ny fotoana », hoy ny mpilalao horonantsarimihetsika, Rakotovelo Franck Olivier (Naivo). Nilaza izy fa tsy maintsy handoavam-bola avokoa na ny toerana hanodinana izany aza. Ankoatra izay, mi­hena ihany koa ny fitiavan’ny Malagasy ny sarimihetsika raha oharina tamin’ny teo aloha.
Miezaka, noho izany, ny mpamokatra sy ny mpilalao ary ny teknisianina hanome fahafaham-po ny mpijery, raha ny fanazavany. Hatsa­raina ny fomba filalaon’ireo mpandray anjara mamelona ny horonantsary sy ny lafiny teknika rehetra. Tanjona ny hamerenana ny fankamamian’ny Malagasy ny sarimihetsika malagasy. Haparitaka ma­nerana ny faritra maro ny fandefasana azy. Hisitraka izany kosa ny any Antsirabe, ny 6 aogositra ho avy izao.

Mino

Partager sur: