Nambaran-dRajoelina Andry, filoham-pirenena malagasy fa misy ary afaka mandray tsara ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, i Madagasikara. Taorian’io, namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka, Karateka, hanao ny fifaninanana ny federasiona FKM. “Ataontsika avo folo heny noho ny tany Maurice ny hatsaran’ny lalaon’ny Nosy eto amintsika”, hoy ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady lasa teo. Araka izany, namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka karate 23, 9 vavy sy 14 lahy, hanao ny JIOI 2023, Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasion’ny karate malagasy (FKM), tetsy Mahamasina, omaly.
Nohamafisin’ity filohan’ny FKM ity fa 32 no voafantina, saingy 23 ihany no atao anaty lisitra, araka ny fitsipika navoakan’ny voamiera misahana ny lalao “Commission Internationale des Jeux” (CIJ).
Ankoatra izay, handray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena efatra i Madagasikara. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Casa Blanca Maroc, ny 14 -20 aogositra ho avy izao, ny Mondial, hatao any Budapest Hongrie, ny 24-26 oktobra, ny “Première Ligue”, hotontosaina any Copenhague Danemark, ny 20-26 novambra, ny fifaninanana ho an’ny tanora, hotanterahina any Venise Italia, ny 6-10 desambra.
Fitia