Vaovao tambatra

Voatendry ho tale jeneraly, ny Dr. Edaly, hitantana ny Ivontoerana famongorana ny valala (IFVM) eto Ma­dagasikara. Nisahana ny fitantanana vonjimaika nandritra ny valo volana, ny tale teknikan’ny IFVM, Andriama­roahina Tsitohaina. Natao omaly ny fifamindram-pitantanana.
Milanja 744 846 t ny vary nafaran’i Madagasi­kara avy any ivelany, ny taona 2022. Io no fatra be indrindra hatramin’izay. Efa nahatratra 151 000 t ny janoary sy ny febroary 2023 teo.
Manodidina ny 3,5 tapitrisa t kosa ny vary vokatra eto an-toerana.
Mahatratra 2 000 t ny lomotra maina vokarin’i Madagasikara, raha 80 tapitrisa t ny vokatra maneran-tany. Tanjona ny hampiakarana izany ho 20 000 t amin’ny taona 2025. Tena mamokatra azy ny any Atsimo Andrefana, Menabe, Diana, Sava ary Analanji­rofo.
Nifarana ny 12 jolay teo ny fampiofanana ny tanora sy fizarana asa, ho an’ny taona 2023. Andiany fahadimy izy ireo, miisa 72 mianadahy, nampiofanin’ny teknisian’ny minisiteran’ny Asa, ny minisiteran’ny Indostria, ny DHL ary ny Bi­an­co. Nikarakara ny fiofanana ny Pôle Stage Mada­ga­si­kara.

Partager sur: