Efa tsindrindaona ireo rehetra nisoratra anarana hisitraka ny building eny Ivato. Fantatra fa efa tsy ho ela izany satria efa ho vita ny asa. Mamarana ny asa fanamboarana ny atiny sy ny ivelan’ny trano ny mpandraharaha miandraikitra izany amin’izao fotoana. Ho vita ao anatin’ny iray volana ny asa, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Manajary ny pitsopitsony farany, toy ny zaridaina, ny lalana , ny fitobian’ny fiara izy ireo, amin’izao fotoana. Tanjona ny hananana toerana tsara sy mendrika ary maharitra ho an’ireo hisitraka izany.
Hirodorodo avy hatrany amin’ny fitokanana ny asa vita ny fanjakana afaka iray volana, fe-potoana hahavitana tanteraka ny asa eny an-toerana.
Hatao ny fisarihana ny anaran’ireo olona efa nisoratra anarana ka nandalo sivana sy nahafeno ny fepetra hisitraka ny trano. “Immeuble” mora miisa 9, ahitana “appartement” 135, misy rihana 3 sy rihana 4 no efa vita eny an-toerana ka hotsinjaraina amin’ireo tsara vintana.
Mbola hitohy ny asa fananganana “building” vaovao, eny an-toerana ihany, araka ny fanazavana.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ireo tetikasa lehibe entin’ny filoham-pirenena ny fanorenana trano fonenana ho an’ny Malagasy rehetra, fanatanterahana ny Velirano faha-11 izany.
Tatiana A