Fa(ha)matorana politika

 

200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Mahabe resaka, adihevitra… Mandeha ny hoe tsy kitsapatsapa ny fifidianana. Mila fahamatorana politika izany. Miainga amin’ny antoko na vondrona politika io. Mba tsy olona iray no andeha hianto-tena. Izay hatramin’izay? Mpanam-bola iray, ohatra, no manorina antoko. Lasa filoha ho azy. Avy eo, fombafomba fotsiny ny sisa. Miankina na ankinina aminy izay atao rehetra. Izy no mampandeha ny antoko, fa tsy ny antoko no manetsika azy. Vokany, saika miara-maty aminy ny antoko.
Tsy vitan’izay, tsy izy sy ny antokony hoe matanjaka no ahazoany fanjakana, fa ny fahazoany fanjakana no mampatanjaka azy. Hisy amin’izay ny fiovana sy fanovana amin’ny fanaovana politika? Indrindra ny fiatrehana fifidianana… Mila kolontsaina politika? Fahamatorana izany. Mba ny tena na ny tsirairay no mamelona ny antoko, fa tsy hoe velominy amin’izay manana ny enti-mihetsika. Mila fahamatorana izany eo amin’ny samy mpikambana, na fifamatorana na fatorana. Eo, ny fanaovana latsakemboka, fanohanana… Tsy handeha ho azy amin’izao izany raha tsy mazava ny lalan-kizorana, izay atao, ny tanjona…
Hahomby sy hahazo mpikambana mbamin’ny mpanohana ve ny kitsapatsapa? Na tsy resy lahatra amin’izay lazainy sy ataony… Mila foto-kevitra mazava izany, vinam-piarahamonina, fandaharanasa, fomba fiasa… Tsy vitan’ny vola fotsiny. Tsy tahotra ny tsy fahitana sy tsy fananana vola ve no mampiaka-peo ny sasany amin’izao? Na fanahiana ho very vola… Mety ho vitavita ho azy eny ny fampielezan-kevitra raha tsy misy vola? Fifidianana aza no ataon’ny sasany fitadiavam-bola atsy sy aroa, fa ampahany kely ihany no mody laniana. Hiova amin’izay? Vita kabary. Lafiny iray sy ampahany izay. Maro no azo resahina?

R. Nd.

Partager sur: