Filohan’ny Antenimierandoholona : “Atsaharo ny adihevitra tsy mampandroso…”

Nitondra ny heviny taorian’ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety, ny alahady teo, ny filo­han’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Nambarany fa efa mazava avokoa ireny fanazavana ireny.

«Aoka atsahatra amin’izay ny adihevitra tsy mampandroso sy ireo niteraka resabe farany teo ireny. Efa feno tanteraka sy mazava ny nambaran’ny filoha ka aleo atsahatra ny fanenjehana samihafa sy ny endrika fanakorontanana”, hoy izy. Nambarany koa fa tena naneho ny maha demokraty azy ny filohan’ny Repob­lika namaly ireo fanontaniana na tsy nitsitsy fitenenana aza ireo mpanao gazety. Novalia­ny tamin’ny fo tony izany ary manaporofo ireny fa mandala ny demokrasia isika, araka ny nambarany. “Ilaina ny mpitondra mahafehy ny fomba fanehoan-kevitra tahaka ireny…”, hoy ihany izy. Nanteriny fa efa nambaran’ny filoha ny olana sedrain’ny firenena nefa teo koa ny ezaka amin’ny zava-bita sy ny mbola hatao ary koa ny fitondrana vahaolana, ara­ka ny nambarany. Anisan’iza­ny ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary koa ny lalana sy ny sosialim-bahoaka, amin’ny ankapobeny.

Nohitsiny fa tokony hiatrika am-pitoniana sy am-pilaminana ny fiainam-pirenena isika manomboka eto, indrindra ny fizorana ho any amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana.

Na izany aza, tsy anisan’ireo nitondran’ny mpanao ga­zety fanontaniana na noresahana tamin’ny filohan’ny Re­poblika ny lafiny tsy fandriampahalemana, mahazo laka manerana ny faritra maro.

Tsiahivina fa ho lasa filoham-panjakana, hitantana ny firenena ny filohan’ny Anteni­mierandoholona, Razafimahe­fa Herimanana raha ho kandidà ny filoha Rajoelina.

Synèse R.

Partager sur: