“Rariny sy hitsiny, angamba, io fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana io. Satria tsy kilalaon-jaza ny fifidianana filohan’ny Repoblika.” Io ny fanehoan-kevitry ny governoran’ny Faritra Androy, i Soja Lahimaro, momba ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Antonony amin’izay hirotsa-kofidina io.
Matetika, kajikajy politika no manosika ny kandidà sasany mba ho fantatra anarana. Amin’izay, lasa mpikamban’ny governemanta. Eo koa ny mety karamain’ny hafa hizara ny vaton’izatsy na izaroa. Tsara raha mifantoka amin’ny fitiavan-tanindrazana, ary manaraka ny fitsipika mifehy ny antoko. Tsy kajikajy politika manokana no mibaiko fa fitiavan-tanindrazana. Amin’ny alalan’izay manana vinam-pampandrosoana sy fandaharanasa tanterahina izany, rehefa hametrahan’ny vahoaka fitokisana.
“Tsy hoe tsy manana zom-pirenena teo aloha ny filohan’ ny Repoblika, ka hoe tsy mizaka afa-tsy ny zom-pirenena frantsay”, hoy kosa ny fanazavana amin’ny maha mpahay lalàna azy ny amin’ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena hafa.
Nanaovan’ny fanjakana ezaka manokana
Tsy novidiny na nangatahiny ny zom-pirenena malagasy, fa efa ao anatin’ny rany. Taratasy ny fizakana zom-pirenena. Ny maha olombelona azy, malagasy ny zom-pirenena ananany. Tsy amim-pihambahambana no ilazana fa mahazo mirotsa-kofidina izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nitondran’ny fitondram-panjakana ezaka manokana ny any Androy, amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa sy ny fiahiana ny lafiny sosialim-bahoaka. Nisitraka izany avokoa ny zaza sy ny ankizy ary koa ireo fikambanam-behivavy amin’ny alalan’ireo karazana tohana samihafa.
R. Nd.