“Ho anay antoko HVM, tsy mila avilivily intsony izany fa hijery isika afaka volana vitsivitsy. Enga anie mba hijoro ireo tomponandraikitra mahefa amin’ny fijerena ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety ka nanazavany ny amin’izay fananany zom-pirenena hafa izay.
Misy ny olona mampiana-janaka any ampitan-dranomasina, fa tsy voatery hoe maka ny zom-pirenena frantsay. Tamin’izany fotoana nakany izany zom-pirenena frantsay izany, aza hadinoina fa filoham-panjakana izy: filohan’ny Fahefana avon’ny Tetezamita (HAT). Tsy fanao izany. Satria rehefa nangataka fizakana zom-pirenena izy, nanao velirano amin’ny Frantsay. Anisan’ny Frantsay izy amin’izany, hiaro ny tombontsoan’ny Frantsay. Manaraka izany, mametraka ny lalàna malagasy na inona na inona lazaina: ampiharo ny fehezan-dalàna mifehy ny fizakana zom-pirenena, indrindra ny lalàmpanorenana.
“Tsy resaka fiaviana io. Marina fa Malagasy ny fiaviany. Fa rehefa mangataka fizakana zom-pirenena hafa ny tena, vazaha izany. Tsy avadibadika ny resaka”, hoy izy. Ho tonga hatraiza?
R. Nd.