INDRAY MIJERY

10 mianadahy ireo mpianatry ny Akanin’ny marenina (Akama) 67ha niatrika ny fanadinana Bakalorea, nanomboka ny alatsinainy teo. Sokajy A2 avokoa izy ireo. Etsy amin’ny foibem-panadinana CEG Betsimitatatra no hanatanterahan’izy 10 mianadahy ny fanadinana. Adika amin’ny teny tanana avokoa ny laza adina rehefa voazara.
Mahatratra 24 707 ireo tanora miatrika ny fanadinana Bakalorea ao amin’ny faritra Boeny. 12 taona ny zandriny indrindra raha 65 taona ny zokiny indrindra amin’izy ireo. Ny 7 263 amin’ireo ao Mahajanga ary mi­tsinjara amin’ny foibem-panadinana 12. Tao amin’ny Lycée Philibert Tsiranana no nanokafana ny laza adina teo imason’ny tomponandraikitra.
Nisy ny atrikasa momba ny fitantanana ireo fitarainana eo amin’ny sehatry ny fiahiana sosialy nataon’ny minisiteran’ny Mponina, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Natao ny fakan-kevitra tamin’ireo mpisitraka nahafahana nihaino ny hetahetan’izy ireo. Tanjona ny hametrahana lamina vaovao sy mahomby hanatsarana ny asa fiahiana sosialy.
Ny 1 hatramin’ny 12 aogositra izao no hanatanterahana ny “Jamboree” andiany faha-25, any Corée Atsimo, any Saemangeum. Tily malagasy telo mi­ra­halahy no voafantina, anisan’ireo 20 hahazo ny vatsy hi­atrehana izany. Skoto lahy sy vavy avy amin’ny firenena 173 no hihaona mandritra ny 12 andro any amin’ izany toerana izany.

Partager sur: