Japon- Madagasikara : hatsangana ny tranoben’ny fifanakalozana

Nanomboka omaly ka ha­tramin’ny zoma izao, ny hetsika “Semaine économique de l’AEMAJA” andiany faharoa. Hetsika manome tombony eo amin’ny fifandraisan’ny firenena japoney sy Malagasy, indrindra eo amin’ny sehatry ny toekarena. Misahana sehatra maro eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny Asso­ciation économique Madagas­car Japon (AEMAJA) . Tom­bo­ny ny fifaneraserana, fifanakalozan-kevitra sy traikefa ary fananganana fandaharanasa iarahana. Eo koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta amin’ny fampiharana ny traikefa japoney, amin’ny alalan’ny teknika « Kaizen ». Ha­tsangana ny tranoben’ny fifanakalozana hanatsarana ny fifandraisan’ny roa tonta, ho fampiroboroboana ny toekarena malagasy sy japoney. “Maro ireo dingana entina hanatanterahana ity tetikasa ity amin’ny fampandraisana andraikitra ny firenena roa tonta”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny AEMAJA, Rato­di­soa Ando. Mbola vitsy ny fikambanana japoney eto Madagasikara, antony mahatonga azy ireo misokatra amin’ireo orinasa any Japon ahafahana manohy ny dingana hafa.

Vina
« Mitana andraikitra goavana eo amin’ny toekarena malagasy ny orinasa Amba­tovy. Tokony hisy ihany koa tetikasa hafa tahaka azy», hoy ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara, Abe Koji. To­kony hiezaka hanatsara ny fotodrafitrasa eto an-toerana koa ny fanjakana Malagasy, hampiakarana ny toekarena malagasy.

Henintsoa Hani

Partager sur: