191 ireo kaominina mandrafitra ny faritra Atsinanana. Iray amin’ ireo ny kaominina ambanivohitr’ Ambinanidilana. Anisan’ny toerana iray manan-karena amin’ny lafiny maro ao amin’ny distrikan’ i Mahanoro.
Ahitana vokatra fanondrana maro samihafa any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambinanidilana. Anisan’izany, ny vanila, jirofo, kafe, poivre, vary, paraky gasy… Ahitana omby sy kisoa koa any an-toerana ary mbola mirary ny vidin’izany raha oharina amin’ny eto an-drenivohitra sy ny faritra hafa. Manodidina ny 7000 Ariary ny kilaon’ ny henan’omby. 8000 Ariary ny henan-kisoa. Ankoatra izay, toerana ahitana volamena koa izy. Mahazo volamena 4 hatramin’ny 10 grama ao amin’ny reniranon’ i Mangoro ny olona iray.
Misedra olana anefa ny kaominina satria sokajin’ny maro ho kaominina lavitra andriana noho ny haratsian-dalana. Nahazo vahana izany nandritra ny fitondrana nifandimby teto amin’ny firenena. Nanampy sy namaha ny olana, ny nahavoatendry an-dRafidison Richard Theodore, ho governoran’ny faritra, tamin’ny taona 2020. Fantatra nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny governora tany an-toerana, volana vitsy lasa izany. Nanampy izany, ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety momba ny lafin-javatra maro samihafa. Mba hamantarana ny antony nahatonga ny kaominina nosokajina ho lavitra andriana.
Lalan-tany sy karao-bato matevina
75 km miala avy eo Mahanoro no misy an’Ambinanidilana. Tsy misy afa-tsy ireo fiara tsy mataho-dalana (4×4) sy kamiao (6×6) no tonga any an-toerana noho ny haratsian-dalana. Mifarana hatreo amin’ ny fokontany Androrangavola ny lalana azon’izy ireo aleha. Mandray motocross na mandeha an-tongotra ny olona miala eo. Feno karao-bato sy fotaka mandrevo ary miakatra sy midina ny lalana, izay mahatratra 35 km. Tsy maintsy batain’ireo lehilahy anaty lakana ny moto satria tsy afaka miampita amin’ny lalana feno karao-bato anatina renirano.
Manoloana ireo olana ireo, nametraka laminasa sy fotodrafitrasa ny governoran’ny faritra. Mba hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Hisy, araka izany, ny fanamboaran-dalana vaovao miainga eo amin’ny sampanana Menagisa sy bakan’i Mangoro. Hihazo ny fokontany Tratramarina ka hatrany Androrangavola. Mirefy manodidina ny 28 km eo izany. Hifanampy amin’ ny tomponandraikitra hanao ny fotodrafitrasa ny fokonolona. Ezaka atao koa, ny hanamboarana ireo tetezana (10), tapaka tao anatin’ny 40 taona lasa. Tanjona ny hahatongavan’ny fiara anyAmbinanidilana, raha ny fanazavana.
Miavaka ny kaominina Ambinanidilana raha oharina amin’ny faritra hafa satria rakotra hazavana. Rakotra jiro be mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny lalankely rehetra. Ankoatra izay, mampidi-bola ara-dalàna avy amin’ny haban-tany sy haban-tsena ary tamberim-bidim-bokatra ny kaominina.
Asan’ny mponina
Mitotongana ny vidin’ny jirofo sy lavanila any an-toerana satria lasa manivana volamena ny ankamaroan’ny tantsaha sy ny tanora ary ny vehivavy. Miteraka olana maro samihafa any an-toerana izany. “Miparitaka ny vola sandoka amin’ ireo kominina maro manodidina ny reniranon’ i Mangoro satria miakatra ny volamena”, hoy ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Mahanoro, Rakotoson Hubert. Nilaza izy fa betsaka ireo olona voafitaka ho nahazo vola sandoka avy amin’ ireo mpijirika volamena ka tonga mitaraina aty aminay. Manao antso ho an’ny mpitandro filaminana izy ireo, noho izany.
Mikarama mitaona sy mitondra entana amin’ny dia an-tongotra ny ankamaroan’ny lehilahy any an-toerana. Mivezivezy maka entana sy mitondra vokatra fanondrana avy any Mahanoro na any Betsizaraina izy ireo mandritra izany. 1 000Ariary ny kilaon’ny entana hoentina. Mahazaka 50 hatramin’ny 70 kilao ny lehilahy iray. Vita ao anatin’ny 5 andro izany raha tsara ny andro.
Lafiny jeografia
Voahodidina tendrombohitra ny kaominina ary manana ala arovana iray antsoina hoe “Vahibe”. Be mponina indrindra ao anivon’ny disitrikan’ i Mahanoro izy. Mahatratra 49 500 izany, mitsinjara amina fokontany 20 sy zana-tanàna.17 480 km2 ny velarantaniny. Mampisaraka ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro ny kaominina Ambinanidilana. Kaominina ambanivohitra Marolambo sy Nosibe An’ Ala no ao atsimony. Ao avaratra ny misy an’ i Manjakandriana sy Betamotamo ary Ankazotsifantatra, ao atsimo andrefana. Vita dia an-tongotra izy raha ho any Ambatondrazaka.