MFF andiany faha-18 : fantatra ny mpitsara ny fifaninanana

Navoakan’ny tomponandraikitra, omaly, ny mpitsara voafidy mialoha, hitsara ny fifaninanana mandritra ny “Madagas­court Film Festival” (MFF) andiany faha-18. Miisa 5 izy ireo, ahitana olona manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny horonantsary. Ity hetsika lehibe ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023, eto Madagasikara.
Mandrafitra izany vondron’ny mpitsara izany Ranarisoa Andry, Malagasy mpanatontosa horonantsary, Charlotte Bruggemann, mpandrindra ny radio rbbkultur Berlin, Firoza Zahir, mpanatontosa, Gabriel Rigoni, tomponandraikitra misahana ny “cinema” ao amin’ny MEAA eto Antananarivo, Giluanna Fantoni, mpandrindra ny ““Madagascourt Film Festival”. Mbola hisy ny lisitra, maneho izay tena ho mpi­tsara fa izy ireo no hifidianana izany. Efa ao anatin’ny fikarakarana ny hetsika lehibe “Madagascourt Film Festival” andiany faha-18 ny mpikarakara. Marihina fa hifarana ny 23 jolay 2023 ny fandraisana ireo horonantsary entina mifaninana amin’izany.

Lin M.

Partager sur: