«Moto On road – Mada 2023» : tompondaka i Mickael Heriniaina

Notanterahina tany Andranomanelatra Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “2ème manche”, taranja “Moto on road”. Voahosotra ho tompondaka tamin’ity hetsika “Liqui Moly Drag Racing” ity, i Heriniaina Mickael, nitondra ny Moto Yamaha MT10. Araka ny fanazavana voaray tamin’ny mpikarakara, izy no nahazo ny “meilleur cumul de temps” na “temps scratch”.
Ankoatra izay, lasan-dRandrianarivony Rivo Aina, nanamory ny Moto Yamaha M1, ny fotoana tsara indrindra “meilleur temps”. Ary izy no mitana ny laharana voalohany tao amin’ny sokajy “Sportive 3”. Tsiahivina fa Rabary Haga, tompondaka farany, tamin’ny 5 jolay 2022 dia nahazo ny laharana fahefatra. Tsara ny mampahafantatra fa ny Bira Moto Club no mpikarakara ny hetsika, ary afa-po tanteraka tamin’ny fifaninanana ry zareo.
Marihina fa miisa 50 ny mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, ary nahitana solontena avy any amin’ny faritra. Anisan’izany ny faritra Analamanga, Atsinanana, Antsirabe. Raha ny fanazavan’ny mpikarakara, miisa telo ireo tsy main­tsy niala an-daharana noho ny antony manokana.

Fitia

Partager sur: