Raindahiny amin’ny fakana an-keriny… : lavon’ny zandary tao Ankazobe i Kekely sy i Mara

Maty voatifitry ny zandary tao Ankazobe, afakomaly, ireo dahalo raindahiny roa lahy antsoina hoe i Kekely sy i Mara. Tratra teny amin’izy ireo ny basim-borona sy odiratsy marobe.

Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina halatra omby sy fakana an-keriny ary vonoan’olona tamin’iny faritra Ankazobe iny ireto ma­laso ireto. Ny 17 jolay 2023, nahazo fampitam-baovao momba an’i Kekely sy ny namany ny zandary. Name­traka ny paikady avy hatrany ny zandary tamin’ny alalan’ny fametrahana sakana amin’ireo lalana sy kizo mety handalovan’ireo dahalo. Nifanehatra tao amin’ny kizo izay tsy mifanalavitra amin’ny tanànan’i Miarikofeno, fokontany Tsin­jorano, kaominina Tsarama­soandro, distrikan’Ankazobe ny roa tonta. Tsy nanaiky ho­samborina anefa ry zalahy ka raikitra teo ny fifampitifirana. Tsy naharesy tosika ny zan­dary anefa ny malaso. Vo­kany, maty tsy tra-drano Rakotoa­ri­velo Tinasoa Fidelis, antsoina hoe, Kekely. Dahalo efa nokarohina hatry ny ela tao amin’ ny distrikan’Ankazobe sy Maevatanana ary faritra Alaotra Mangoro amina halatra omby sy fakana an-keriny ary vonoan’olona. I Mara Zafimaniry antsoina hoe i Mara, dahalo efa nokarohina ela ihany koa sady efa mpamerin-keloka. Basim-borona calibre 12 sy odiratsy maromaro ary finday roa fampia­san’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny no azon’ny zan­dary. Mbola mitohy kosa ny fikarohan’ny zandary ireo naman’izy roa lahy ireto. Tafa­poritsaka nandritra ny fifandonana ny sasany amin’izy ireo na efa naratra aza. Afaka miantso ny zandary amin’ireto laharana ireto izay mahita trangana tsy fandriampahalemana amin’iny faritra iny: 034 05 700 81 – 034 14 010 24.

Jean Claude

Partager sur: