Sahanala S.A-BEI : 20 tapitrisa euros ho an’ny fambolena sy ny jono

Manohana ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny jono ny Banky eoropeana ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Nisitraka izany ny orinasa tsy miankina Sahanala S.A.

Mitentina 20 tapitrisa euros ny fampindramam-bola avy amin’ny Banky eoropenina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) ho an’ny orinasa tsy miankina Sa­ha­nala S.A.
Hahena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana katsaka sy vary any ivelany.
Anisan’ny hampiasana ny vola ny fampiroboroboana ny fambolena any Maintirano, faritra Melaky. Hisy ny famatsiana fitaovam-pambolena mekanika. Hanangana ozinina mpanodina katsaka, vary, menaka fihinana, sakafom-biby ho an’ny tsena anatiny. Tanjona ny hampiakarana ny fidiram-bola sy ny fari-piainan’ny tantsaha.
Voakasiky ny tetikasa koa ny sehatry ny jono any Vohémar, faritra Sava. Hanangana ozinina fitahirizana ny hazandranomasina miaraka amin’ny fitaovana ilaina. Tanjona ny hiantohana ny tsena anatiny sy ny fanondranana any ivelany.

Asa 1 500 hiforona

Manodidina ny 1 500 ny asa kendrena hiforona amin’ireo tetikasa roa ireo. Hano­fana ny tantsaha ny orinasa Sahanala S.A. Hampianarina ny tantsaha sady hamokatra no hitsinjo ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, mba hisian’ny fampandrosoana tomponandraikitra.
Orinasa voalohany eto Madagasikara manana ny ma­ri-pamantarana “Marine Ste­wardship Council (MSC)”.
Nilaza ny filoha lefitry ny BEI, Ambroise Fayolle, omaly, nandritra ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana, fa « tohanan’ny BEI ny ezaky ny Sahanala hisian’ny famokarana maharitra ». Nanome antoka ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Sahanala, Rajaobelina Serge, fa tsy mitsahatra manampy manatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny Sahanala.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: