Nitombo indray ireo antoko politika, nanaiky ny sata fitondran-tena mendrika ho an’ny hery politika. Nanao sonia izany, ny alatsinainy 17 jolay 2023, ny Antoko politika madio (APM), ny Asa vita ifampitsarana (Avi) ary ny Fy-M. Sata izay vokatry ny fikaonandoha sy fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ireo antoko politika misy eto Madagasikara. Manaiky ary vonona hanaraka ny voarakitry ny sata, araka izany, ireto antoko politika ireo. Ny sata izay manana tanjona hahatonga ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra ary ara-dalàna.
Nisolo tena ny antokony avy: Rakotoarisoa Faniry Alban, filoha nasionalin’ny APM, sy Dr Ndahimananjara Johanita, filoha lefitry ny Avi, ary Raderanirina Sendrison Daniela, filoha nasionalin’ny Fy-M. Miisa dimy hatramin’izao ny vondrona politika nanao sonia ity sata ity. Tao anatin’izany ihany koa no niantsoan’ireto antoko ireto, ireo vondrona sy kandidà hilatsaka hofidina, hanao sonia ny sata mba hiantohana ny fifidianana madio sy ara-dalàna ary eken’ny rehetra. Raha tsiahivina, manana adidy sy andraikitra hiantoka ny fangaraharana sy fahadiovana ary ny maha ara-dalàna ny fifidianana ireo nanao sonia ny sata.
Lin M.