Hiatrika lalao iraisam-pirenena maro ny Barea de Madagascar aorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay hatao eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra. Lalao telo be izao no miandry azy ireo, anisan’izany ny fihaonana amin’i Angola, ny 17 septambra ho avy izao. Eo ihany koa ny lalao fifanintsanana hiakarana amin’ny Chan, ny 1-3 septambra.
Mondial 2026, hanomboka ny 13-21 novambra ho avy izao ny fifanintsanana ho an’ireo firenena Afrikanina rehetra. Marihina fa ny andro voalohany sy faharoa ihany no atao amin’io fe-potoana navoakan’ny FIFA io. Ny 10-18 novambra 2025 ny lalao sakana ho an’ny Caf, raha toa ka ny marsa 2026 ny an’ny FIFA.
Messi, mpilalaon’ny Inter Miami, nahatratra 200 ireo mpanao gazety tonga nanatrika ny fanazarantena ny klioba Inter Miami Fc, omaly. Raha ny fikarohana natao, nahoraka tanteraka tao an-toerana ny fanomanana nataon’i Lionel Messi, mpanjakan’ny baolina kitra arzantinina sy ireo namany vaovao.
Fabien Boyer, mpilalaon’ny Barea, anisan’ ireo voaantso handrafitra ny ekipam-pirenen’i La Réunion amin’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Tsiahivina,vodilaharana nanahirana an’i Ayew mirahalahy, tamin’ny fihaonan’i Madagasikara sy i Ghana tetsy Mahamasina izy, ny 18 jona lasa teo. Hifanandrina
amin’ny fireneny, araka izany, i Fabien Boyer.