Tsy faly ny depiote Razara Pierre Fidel ,”Del kely”, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ny herinandro teo. Notakiny ny tokony hanadihadiana ny momba ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena.
Tsy nitsitsy fitenenana ity depioten’Ambatondrazaka ity. “Avoahy ny marina amin’ireo polisy miisa sivy afaka fanadinana nefa tsy niadina an-tsoratra sy am-bava akory. Foano iny fanadinana iny ary raiso ny andraikitra”, hoy izy. Nohitsiny fa tena haratsiam-panahy iny tranga iny. Misy ny zana-bahoaka mifofotra sy miady mba ho afaka fanadinana nefa tsy tafita, araka ny nambarany. “Miharihary anefa ny fahotanareo ary nipoitra ny marina. Ny tsy manao fanadinana indray no afaka ary jerem-potsiny. Tsy mendrika ny ho polisy ireo olona ireo. Tsy misy na iray aza mba miteny. Aiza ny departemantan’ny polisy ? Aiza ny Bianco?”, hoy ny fanontaniany.
Mitaky fepetra sy fanapahan-kevitra
Notsiahiviny fa namany ny minisitry ny Filaminana anatiny nefa tsy rariny raha hangina na tsy haka fanapahan-kevitra manoloana izany. Fanalam-baraka ny polisy sy ny firenena tanteraka izao.
Notakiny ny hamerenana ny fanadinana ary tsy tokony havela fotsiny amin’izao ny tranga tahaka ireny. Sazio ireo tomponandraikitra amin’izany sy ny ao ambadik’io zava-misy io. Tena potehina ny firenena sy ny mpitandro filaminana, araka ny nambarany. Nanteriny fa tokony hadihadiana lalina izany ahitana ny marina raha tena firenena sy misy mpitondra isika.
Etsy andaniny, nambarany fa nosaziana ireo tratra tamin’ ny tranga tahaka izao teo anivon’ny zandary.
Synèse R.