Tontolon’ny hira sy ny valiha : hotsaroana Randafison Sylvestre

Mitsingerina tamin’ity taona ity ny faha-20 taona nahalasanan’ilay andrarezin’ny hira malagasy, Randafison Sylvestre.

Hisy ny hetsika hoenti-mahatsiahy ny zava-bitan-dRandafison Syl­vestre, mpitendry valiha ma­laza maneran-tany. Ao anatin’ ny fandaharam-potoana ny fijoroana vavolombelon’ireo nifanerasera taminy fony fahavelony. Anisan’izany ny fianakaviana sy ny mpitendry zavamaneno toa an-dRakotomavo Germain sy Ratovo Luc Oli­vier, sns, izay efa tafaraka taminy. Ao koa ny fitendrena ireo hira nampalaza azy.
Iray amin’ireo nanangana ny tarika Ny Antsaly, niaraka tamin-dRandafison Rémy (zokiny) sy Razafindrakoto Bernard, izy. Ankoatra ny teto an-toerana, nampianatra valiha tany Etazonia (Oniversite tao Washington DC sy Seattle) Randafison Sylvestre. Saika nosahaniny sy nofeheziny avokoa ny anjara toerana tao anatin’ny tarika satria hainy tsara ny nandihy, nitendry valiha, nihira tamina feo malagasy, nikapoka ireo zavamaneno ravaka (amponga, korin­tsana, ambio…), sns.

Namela lova sarobidy

Nikaroka momba ny hira malagasy nanerana ny Nosy ny Ny Antsaly. Namerina na­melona azy ireny indray taty aoriana. Nezahin’ny Ny An­tsaly notahirizina tao anaty kapila sy horonampeo izy ireny. Nikaroka momba ny « valiha chromatique » ihany koa Ran­dafison Sylvestre. Na tsy nahafa-po azy tanteraka aza ny vokatra azo, dingana lehibe nahafahan’ny mpikaroka nandimby sy nanohy ny fikarohana izany.
Tsy nijanona teto an-toerana ny tarika sy Randafison Sylvestre fa nanatanteraka seho maro tany ivelany ihany koa. Fitetezana firenena maro nizara sy nampahalalana ny vakodrazana, fomba fitafy sy kolotsaina malagasy tamin’ireo vahiny.
Fantatra fa : « efa misy ny tarika Miantsaly mamelona indray ny hiran’ny Ny Antsaly », raha ny nambaran-dRatovo Luc Olivier.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: