TSELATRA

 Nidoboka am-ponja ny jiolahy raindahiny mpamaky trano sy fisoko teny Ambohimanambola, afakomaly. Nangalatra akoholahy mpiady 10, ny alin’ny 28 hifoha 29 jona teo izy. Tsikaritry ny manodidina anefa ny famarotany ireo biby ka nisy nampandre ny zandary. Voasambotra ny 15 jolay teo ity mpangalatra sady efa mpamerin-keloka ity.
 Fiara iray nifatratra tamina sisin-dalana tetsy Anosy, omaly maraina. Nandeha mafy, tsy voafehin’ny mpamily ny familiana ka niafara tamin’ny loza. Potika tanteraka ny fiara. Tsy nisy aina nafoy. Manentana ny tsirairay ny tomponandraikitra mba hitandrina fa tsy ampoizina ny loza mety hitranga.
 Lehilahy tra-tehaka nitondra zava-mahadomelina tao Ambatondrazaka, afakomaly misasakalina. Nifanehatra tampoka tamin’ny polisy nanao fisafoana izy. Nosavaina, tratra teny aminy ny rongony tamina fonosana. Mpivarotra io zava-mahadomelina io izy, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana.
  Tafaverin’ny Miaramila sy ny fokonolona amin’ny tompony ny omby miisa 107 nalain’ny dahalo, tao Ambilany, Kaominina Ifotaka, ny 12 Jolay lasa teo. Nanara-dia niaraka tamin’ny fokonolona ny mpitandro filaminana. Latsaka teny am-pelatanan’ny dahalo ireo omby an-jatony. Nitsoaka nandositra vokatry ny fifandonana ireo olon-dratsy.
Partager sur: