Anisan’ireo taranja nesorina tamin’ny fifaninanan’ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay atao eto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra, ny baolina kitra vehivavy. Na izany aza, mandray anjara amin’ny fifaninanana “Cosafa Women’s Cup” ny Barea.
Hotanterahina any Afrika Atsimo, manomboka ny 23 aogositra-3 septambra ho avy izao, ny fifaninanana “Cosafa Women’s Cup 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny vehivavy Barea. “Azo antoka ny fandraisantsika anjara amin’ny Cosafa, ary efa mikarakara izany izahay eto anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).” Hoy Andriatsimialona Sandrine Michelà, filohan’ny kaomisiona misahana ny baolina kitra vehivavy eo anivon’ny (FMF).
Nomarihiny ihany fa efa an-dalana amin’ny fikarakarana ny fampivondronana ny mpilalao ny kaomisiona sy ny tale teknika nasionalin’ny FMF, Rasoanaivo Rado. Tsara marihina fa i Theodore Béatrice no mpanazatra voatendry hitondra ny vehivavy Barea. “Miezaka manao ny fomba rehetra hampivoarana ny baolina kitra vehivavy eto Madagasikara izahay”, hoy ihany ity filohan’ny kaomisiona ity.
Tsiahivina fa ny taona 2019 ny vehivavy Barea no nanao Cosafa farany, tany Afrika Atsimo.
Aorian’ny Cosafa, hisy ny fampiofanana hatao ho an’ireo vehivavy mpanazatra sy mpitsara.
Ankoatra izay, misy fifaninanana nasionaly, sokajy vehivavy, hotanterahina ny volana septambra ho avy izao. Ny ekipan’ny Disciples FF Vakinankaratra moa no voahosotra ho tompondaka tamin’ny farany teo. Hitovy amin’ny firafitry ny lalao ho an’ny lehilahy izany fifaninanana izany.
Tsara ny mampahafantatra fa ao anatin’ny lalànan’ny Fifa, tsy maintsy atao ny hananan’ny klioba iray ekipa vehivavy. Marihina fa anisan’ny tanjona apetraky ny Fifa sy ny Caf ihany koa ny hampisongadinana ny baolina kitra vehivavy. Araka ny fikarohana natao, eo amin’ny laharana faha-184 i Madagasikara, raha toa ka i Comores no mitana ny faha-183.
Fitia