Olobe Toliara : fangatahana amin’ny governora sy ny prefe ny hanokafana ny Base

Mivoatra hatrany ny zava-misy! Nanao fanambarana iombonana ireo olobe sy ny mpitan-kazomanga avy any amin’ny kaominina miisa dimy, voakasiky ny tetikasa Base Toliara, napetraka any amin’ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny Prefe Toliara.
Anisan’ny voarakitra ao anaty fanambarana fa manana ny olona ilaina sy ny harena voajanahary entina hampandrosoana maharitra i Toliara. Nefa anisan’ny distrika mihemotra i Toliara, ka mampatahotra ny tsy fisian’asa ary mijanona ho fasan’ny tetikasa foana.
Ho an’ireo olobe sy raiamandreny ireo, olom-bitsy no manao didy jadona manohitra ny tetikasa Base, izay tsy mijery ny tombontsoan’ny besinimaro sy ny vahoaka manontolo. « Fositra ve no tsy ambolem-boavahy», hoy ihany izy ireo.
Anisan’izy ireo i Tovondray Marson, sady mpandraharaha, nilaza fa azo antoka ny handrosoan’i Toliara raha miverina misokatra ny Base. Izay no antony tsy maintsy hiraisantsika hina. Ho an-dRatovomana­ntsoa Iadanako, olobe any Masokoro, «efa mankasitraka io tetikasa io ny kaominina To­liara I. An­dra­sanay ny fanomezan-danja ny mponina eto aminay hiasa ao sy ny mpandraharaha eto an-toerana, satria hitondra fampandrosoana».
Ho azy ireo, hitohy ny fanohanana ara-tsosialy, ny fanaovana lava-drano fisotro, ny sekoly , toeram-pitsaboana, ny fananganana fasana rehefa hiverina hisokatra ity orinasa ity.

Njaka A.

Partager sur: