Anisan’ny olona tia mandray andraikitra sy manampy ny sahirana Ramamimampionina Gerard-Noël. Nandrisika azy hirona amin’izany, ny fahatsapany sy efa nilonany tao anaty fahantrana nandritra ny fahazazany, raha ny fanazavana.
Tia mandray andraikitra amin’ny sehatra maro samihafa (eo anivon’ny fianakaviana, fiarahamonina, fiangonana ary eo anivon’ny fiainam-pirenena…) Ramamimampionina Gerard-Noël. Miainga eo anivon’ny fianakaviana ny fandraisan’andraikitra ataony. Ahafantaran’ny olona azy ny fitiavana maneho hevitra feno fanajana sy fahamarinana. “Tia manampy sy mitaiza olona, indrindra ireo olona sahirana ara-pivelomana eto amin’ny Nosy”, hoy izy, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Antony nandrisika azy hanao izany, ny fahatsapana sy niainana ny fahantrana teo amin’ny fiainany, raha ny fanazavana. «Reharehako ny fahantrako ary harena goavana niezahana tamin’ny fiainana izany noho ny finoana sy fikirizana», hoy ihany izy.
Manampy sy miara-miasa amin’ny tomponandraikitry ny fiangonana sy fikambanana maro samihafa (Pretra, masera…) izy mandritra izany. Tanjona ny hanampiana azy ireo hijoro sy hivelatra amin’ny maha izy azy sy ho olombelona marina. Tsy mijanona eto Antananarivo ihany fa tonga hatrany amin’ny faritra maro samihafa (Manakara, Vangaindrano, Fenoarivo Atsinanana,…). Anisan’ny sokajin’olona ampian’izy ireo, ny vehivavy niteraka tsy manambady, tanora very asa, avy nigadra, nilaozam-bady… Omena tohana ara-tsaina ireo olona sahirana raisin’izy ireo an-tanana. Omena fiofanana maro sy ampiana ara-materialy sy ara-bola ihany koa. Mba hivoaran’izy ireo tsikelikely amin’ny fiainana, raha ny fanazavana.
Mombamomba azy
Ramamimampionina Gerard-Noël, zanaky ny faritr’ Itasy. Teraka tany Diego, fa niaina bebe kokoa teto anivontany. 10 mianadahy izy ireo no zanaky ny ray aman-dreniny ary zaza fahatelo izy. Maty teo amin’ny faha 44 taonany ny rainy ary nitaiza sy namelona azy ireo irery samirery ny reniny. Tsy zanaky ny mpanana fa sahirana ara-pivelomana ka nanao ny karama rehetra ahazoam-bola (mantsaka rano, mitoto vary, mivarotra apombo, mivarotra kitay, tahona masikita…). Manambady aman-janaka. Santatra, Sandratra ary Sambatra ny anaran-janany. Mampiseho sy manambara ny fiainana amin’ny maha olombelona izany.
Nianatra tany amin’ny Kolejy Mgr Ramarosandratana Miarinarivo, nanomboka ny garabola hatramin’ny kilasy famaranana. Nandrato fianarana ambony tany Antsirabe sy teto Antaninarivo ihany koa. Nianatra mikasika ny tontolon’ny olombelona izy, izay tena imasoany betsaka indrindra eo amin’ny fiainany.
Niasa ho “gestionnaire” tsotra teo amin’ny fikambanana «Association humanitaire Tokovato» izy. Lasa tompondraikitry ny fikambanana avy eo ary lasa tale mpitantana eo amin’ny sehatra nasionaly ankehitriny. Nilaza izy fa mila miakatra tsikelikely ny olona iray fa tsy tonga dia hitsambikina hanatratra ny dingana farany ambony. Ankoatra izay, filankevitra pastoraly eo anivon’ny Chapelle Notre Dame de la Paix Andrianarivo sady mpizara komonio ihany koa izy. Mba hanentanana ny tanora sy ny olona mba hizara ary hiaina ny finoana eo amin’ny fiainana.
Tia miaina anaty natiora
Efa nahazo anjara asa teo anivon’ny politika ihany koa izy. Nantsoina ho filankevitra rejionaly tany amin’ny faritra Itasy izy, teo amin’ny 30 taonany. Voaantso indroa ho anisan’ny mpikambana teo anivon’ny kongresin’ny Tetezamita ihany koa, nanomboka ny taona 2010. Voatendry ho anisan’ny mpikambana teo anivon’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) ihany koa. Lasa filoha lefitra teto amin’ny faritra Antananarivo taorian’izay. Miorina sy mampijoro ny firenena amin’ny fanajana ny maha olombelona ny tarigetra napetrany nandritra izany.
Anisan’ny fialamboly tiany ny mivavaka, ny mamaky boky, ny manao fanatanjahantena (tennis de table) ary tia miasa. Tia mijery natiora sy zavaboahary ihany koa. “Ahitana ny hatsaram-pon’Andriamanitra ny fijerena izany”, hoy hatrany izy. “Fialamboly tena tiako ny miasa atao am-pifaliana sy am-pitiavana”, hoy izy nanamafy. Ankoatra izay, fifaliany indrindra ny mahita ireo olona, fianakaviana, fiarahamonina…mifankatia. Tanjom-piainany ny ho tonga any an-danitra sy hahatonga ny olon-drehetra ho any. Atomboka amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy fifankatiavana eto ambonin’ny tany izany. Ezaka ataony ny hanampiana ny olona hanorina fiarahamonina mendrika sy hiaina ny soatoavina malagasy ary hiaina ny Evanjely. “Mba samy miezaka ny rehetra hanabe ny saina mba hahay hieritreritra. Hanabe ny fo ho be fitiavana, ny fanahy handanjalanja ny lalan-kombana ary ny vatana hazoto hiasa sy hahay hiara-belona ho voninahitr’Andriamanitra.