Tsy milamina intsony ny tanàna! Miparitaka izaitsizy indray ny vola sandoka amin’izao fotoana izao. Any amin’ireo lanonana sy tsena any ambanivohitra no tena hanaparitahan’ireo olon-dratsy ireny vola sandoka ireny. Voasambotry ny fokonolona tao Ambatomena fokontany sy kaominina ao ihany ny vehivavy iray sy ny anadahiny, niaraka tamin’ny vola sandoka, afakomaly. Mody mividy zavatra izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Vola sandoka 120 000Ar no tratra teny amin’izy ireo. Fantatra nandritra ny famotoran’ny zandary fa karamaina 30 000Ar izy ireo raha voatakalo avokoa ireo vola ireo. Ny zandary ao Tsarahonenana Sahanivotry kosa no manao fanadihadiana rehetra momba ny nahazoan’ireto olon-dratsy ireto ny vola.
Fa saika matin’ny fitsaram-bahoaka koa ny tovolahy iray nanaparitaka vola sandoka mitentina 80 tapitrisa Ar tao Andriambilany, afakomaly maraina. Tratra nampiasa vola sandoka ity tovolahy ity ka niteraka hatezerana tamin’ireo olona tao an-tanàna. Efa nisavoritahan’ny olona izy ka saika maty mihitsy raha tsy tonga haingana ny zandary. Karohin’ny zandary ireo atidoha nikotrika ny fanapariahana izao vola sandoka izao.
Jean Claude