Taranja Tantara sy Jeografia Bakalorea : haverina ny zoma izao ny adina »

Nandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony fa haverina ny zoma izao ny adina eo amin’ny taranja Tantara sy Jeografia ho an’ny sokajy A1, A2, C ary ny D.

Niaiky ny minisitry ny Fampianarana ambony fa nisy tokoa ny laza adina nivoaka alohan’ny fotoana. «Vokatr’izay, noraisina ny fepetra nandritra ny filankevitry ny minisitra, halina, fa haverina ny zoma , amin’ny 7 ora sy sasany, ny taranja Tantara sy Jeografia, ho an’ny sokajy A1, A2, C ary D izay voakasik’ity fivoahana laza adina alohan’ny fotoana ity. Asa fanakorontanana izao ka manameloka izany ny eto anivon’ny minisitera tantanako. Maneho fialan-tsiny amin’ireo mpianatra, ray aman-dreny noho ny fikorontanana naterak’izany», hoy ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice. Tsy misy kosa ny fiovan’ny fandaharam-potoana efa mi­petraka ho an’ny taranja ambiny, araka ny nambarany ihany.
Ankoatra ny minisitry ny Fampianarana ambony, nitondra ny anjara andraikiny amin’izao savorovoro izao koa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanome­zantsoa Rodellys amin’ny fiarovana ireo toeram-panadinana rehetra manerana ny Nosy. «Polisy 1 600 no nahetsika hitandro ny fandriampahalemana. Nisy ny fiaran’ny polisy nitatitra ireo mpiadina sy ray aman-dreny nody rehefa nirava», hoy izy. Teo ihany koa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Serge Gellé, naneho ny fandraisan’ny zandary andraikitra tamin’izao tranga izao. «Ny famotorana no hahalalana izay teny anton’iny fiparitahan’ny laza adina alohan’ny fotoana iny», hoy izy. Fa nanambara ihany koa ny minisitry ny Fitsarana fa tsy hilefitra amin’izay nahatonga izao tranga izao ny eo anivon’ny minisitera. «Handraisana fepetra hentitra ireo rehetra nahatonga izao», hoy izy.

Nikorontana ny fizotry ny fanadinana
Raha ny zava-nitranga, nisavorovoro ny ankamaroan’ny foibem-panadinana saika manerana ny Nosy, omaly tapany hariva, manoloana ny fanovana tampoka ny laza adina ho an’ny taranja Tan­tara sy Jeografia, izay tokony ho natao nanomboka tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro.
Efa tany amin’ny efitranom-panadinana ny mpiadina no nilatsaka ny fanapahan-kevitra fa ovaina ny laza adina. Mijanona daholo ny zavatra rehetra. Miandry ny laza adina fiandry vao natonta indray. Miova avokoa ny laza adina rehetra manerana ny Nosy, ho an’ny sokajy A, C, D.
Hatramin’ny 4 ora hariva, omaly, tsy mbola nanomboka ny fanadinana Tantara sy Jeografia tamin’ny ankamaroan’ny foibem-panadinana. Nikoropaka ny tomponandraikitry ny foibem-panadinana amin’ny fametahana jiro isaka ny efitranom-panadinana re­hetra.
Notazomina hatrany, ora 4 ny faharetan’ny fotoana na­naovana ny adina, ka tratra alina ny firavana.
Ho an’ny teny amin’ny CEG Tsimbazaza, nadika tamin’ny solaitrabe ny laza adina rehefa voarain’ny tomponandraikitra tamin’ny finday izany.
Misy hatrany ny laza adina fiandry mandritra ny fandrafetana izany ao anaty fihibohana. Raha misy ny zavatra mampiahiahy amin’ny laza adina voalohany dia ara-dalàna tsara ny fampiasana ny laza adina fiandry. Noho ny fahamailoana kosa dia tsy maintsy novaina izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony.
Ny talen’ny ofisin’ny Ba­kalorea miisa 5 sy ny talen’ny fanadinam-panjakana izay tomponandraikitra feno amin’ny fampandehanana ny fanadinana bakalorea ihany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany amin’ny fanovana ny laza adina rehefa tsy maintsy hirosoana izany.

Nandray fepetra ny Jirama sy ny fitaterana
Namoaka filazana ny Jirama fa ho fitsinjovana ireo mpiadina ary tsy hampitaintaina ireo ray aman-dreny dia efa manao ny ezaka tsy hisian’ny fahatapahan’ny herinaratra ny tomponandraikitra sy ny teknisiana rehetra, mandritra ny fotoana anaovan’ireo mpiadina ny fanadinana. Efa eny an-kianja avokoa ireo teknisiana rehetra raha sanatria misy olana tampoka. Tsy tanteraka anefa izany fa vao tamin’ny 6 ora sy sasany hariva dia tapaka ny jiro tao amin’ny foibem-panadinana teny Tanjombato. Nasaina nividy labozia avokoa ny mpianatra rehetra, niasa tanaty hazavana mitsilopilopy.
Nanao fanambarana ihany koa ny minisiteran’ny Fita­terana sy ny famantarana ny toetry ny andro ka niangavy ireo mpitatitra rehetra amin’ny zotra misy ny toeram-panadinana mba hiasa hatramin’ny 10 ora alina hahafahana mitatitra ireo mpiadina sy ny ray aman-dreny ary ny mpiambina ny efitranom-panadinana hody am-pitoniana ao anaty fandriampahalemana.

Tatiana A

Partager sur: