Anio ny “Manala Azy” andiany faha-30. Manomboka amin’ny 6 ora hariva ny fotoana efa ifanomezan’ny Olombelo Ricky amin’ireo avy nanala baka. Eo ihany koa anefa ireo “taranaka mpanala azy”, izay lasa mpankafy isaky ny alakamisy faran’ny baka. Tsy azo ihodivirana ireo hira nanamarika izay 30 taona maherin’ny “Manala Azy” izay, na eo aza ireo vaovao.
Hisy famelabelaran-kevitra hataon’i Ankoay, eny amin’ny ENS Ampefiloha, mikasika ny lohahevitra “Ny fomba nanabeazana ny zaza Malagasy fahiny”, manomboka amin’ny 2 ora. Tanjona ny ahalalan’ny mpianatra ny pedagojia malagasy fahiny sy ny fomba nentin-drazana mahakasika ny fanabeazana.
Slam Poèsie « Tour’nao » : Tanterahina ny tolakandron’ny sabotsy 22 jolay 2023, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny fifaninana fihodinana fahefatra. Ny Madagaslam Section Tana (MST) no mikarakara ny fifaninanana. Tsy niova tamin’ny fitsipiky ny fihodinana teo aloha ny fitsipika fa fiakarana an-tsehatra indroa, tsy mampiasa na inona na inona.
Feno 20 taona, omaly, ny RDJ, na ny Onjampeon’ny tanora. Anisan’ny nampiavaka ity radio ity ny nitodihany manokana tamin’ny tanora amin’ny lafiny rehetra fa tsy ny mozika sy fialamboly ihany. Eo koa ny fanomanana hetsika isan-karazany, ka anisan’ny nalaza indrindra ny “Smile Party”. Hatao rahampitso zoma, etsy amin’ny Gara Soarano ny amin’ity.