Basikety- Mada U14 : hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio

Hifarana afaka roa andro ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, latsaky ny 14 taona lahy sy vavy, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Fantatra omaly, ireo ekipa hiatrika ny dingana ampahefa-dalana amin’ny anio. Ho an’ny sokajy vehivavy, hiatrika ny ampahefa-dalana, ny ekipan’ny SAC, Luca­dro, FBC, Mb2All, BAS, CBF, JAP Mada ary ny Duna­mis. Araka ny fandaharan-dalao, hihaona ny CBF sy ny SAC, hidona ny Lucadro sy BAS, hifanandrina ny Dunamis sy ny Mb2All ary hifampitana ny FBC sy ny JAP Mada. Hiady avokoa ireo lalao 4 ireo satria efa miakatra ny lentan’ny fifaninanana. Amin’ny faran’ity herinandro ity no hatao ny famaranana ka hanomezana ihany koa ny loka ho an’ny mpandresy. Tanjona tamin’ity fifaninanana ity ny fiadiana tamin’ny hala-taona ary tena hentitra ny tomponandraikitra. Mbola ho hampiharina amin’ny fifaninanana rehetra mihitsy izao fampanarahan-dalàna izao.

Mi.Raz

Partager sur: