FANTINA sy FINTINA

Hihaona amin’ireo “Diaspora” any Frantsa sy Eoropa ny filoha mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, ny sabotsy izao. Hotanterahina ao Les Voiliers 6, route de loges St Germain izany. “Miantso antsika vonona sy tia tanindrazana hifanakalo hevitra”, hoy izy, omaly. Tsiahivina fa efa nanambara ny haha-kandidà azy amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny filoha teo aloha.
“Tsy rariny ny 200 tapitrisa Ar”, hoy ny filohan’ny FMI, Ratsietison Jean-Jacques. Raha lazaina hanaovana biletà no antony, porofoy fa niakatra avo efatra heny ny vidin’ny biletà tamin’ny 2018 sy ny amin’izao 2023 izao. Tokony ho 50 tapitrisa Ar tamin’ny 2018 ihany no haloan’ny kandidà. Tsy vola no hanakanana kandidà tsy ho be dia be, fa mila porofoina ny fiavian’ny anto-bola arotsany.
“Lazao izay tsara efa natao sy ny tiana hatao handresenao lahatra vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny sekretera jeneralin’ny Ifi, pasitera Razafindramanitra Nestor. Inona koa ny vinam-piarahamonina atolotry ny tena? Tsy ny olona sy ny an’ny olona hatrany no haratsiana. Tokony ho tony sy hifankatia isika, hifamela heloka, tsy hifanaratsy…
Niantso ny mpitondra sy ny mpanao politika ary ireo mpiara-miombon’antoka mba hanao izay hisorohana ny korontana ny antoko RDS, tarihin-dRakoto Andrianirina Fetison, araka ny fanambarany, afakomaly. Nampindramina ny fahefana hitantana sy hiahy ny fiainam-bahoaka ianareo ka tandremo ny fihetsika sy fiteny mba tsy hivoy fihantsiana. “Saropady izao vanim-potoana izao”, hoy izy.

Partager sur: