Hentitra ny filoham-pirenena Rajoelina Andry nilaza fa tsy handefitra amin’ireo manao takalon’aina ny tanora malagasy mahakasika ilay laza adina Tantara sy Jeografia nivoaka mialoha iny.
“Na ny tao amin’ny Ofisin’ny Bakalorea na ireo mpizara laza adina, tsy maintsy nisy tomponandraikitra ambony namoaka iny laza adina Tantara sy Jeografia iny voalohany ka tsy maintsy handraisana fepetra hentitra”, hoy ny filoham-pirenena, omaly, tao amin’ny TVM.
Nanome baiko ny mpitandro filaminana misahana ny resaka “cybercriminalité” ihany koa ny filoham-pirenena mba hitadiavana izay namoaka sy nanaparitaka ary nivarotra iny laza adina iny. Tsy azo ekena, handraisana fepetra avokoa ireo tompon’antoka rehetra tamin’iny toe-javatra mamohehatra iny.
Sarobidy ary manan-danja ho an’ny tanora ny Bakalorea. Mahakasika ny hoavin’ny fiainan’izy ireo mihitsy izany. Nandritra ny 12 taona no nianaran’izy ireo, raha kely indrindra, vao tonga amin’izao.
Mendrika hanala fanadinana anaty fitonian-tsaina sy filaminana ireo mpianatra ka izay indrindra no nanomezana azy ireo safidy malalaka amin’ny fahafahana mamerina ny taranja, anio, na tsia.
Nilaza ny filoham-pirenena fa tomombana ny 90% mahery tamin’ny fanadinana ny alakamisy teo. Nisy ny toerana hafa tsy ekena ny nanaovana ny fanadinana anaty haizina sy hatsiaka.
Hisy ny famerenana ny taranja Tantara sy Jeografia, anio, ka izay naoty tsara no horaisina. Tsy voatery hamerina anefa ireo efa afa-po tamin’ny teo aloha.
Mikasika ny adina ara-panatanjahantena an-tsoratra sy am-bava, izay tokony hatao anio kosa, dia voalaza fa ny 10%-n’ny mpanala fanadinana Bakalorea ihany no manao an’io. Ahemotra anio hariva amin’ny 2 ora tolakandro, araka izany, ny taranja EPS.
Tetsy andaniny nisaotra sy nankasitraka tamin’ny firaisankina nasehon’ny mpiray tanindrazana ihany koa ny filoha.
Tatiana A